Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Avrily, 2018

25 Avrily 2018

Mitady Fanampiana Ho An'ireo Niharam-boina Noho Ny Rivodoza Sidr Ireo Blaogy Bangla

Ho an'ireo izay monina ivelan'i Bangladesh, miangavy azy ireo ny Somewherein mba handefa ny fanampian'izy ireo mivantana ho any amin'ny tahirimbolan'ny "Save the Children Cyclone Relief" satria ho an'ireo mponina eo an-toerana irery ihany no miasa ny SMS.

24 Avrily 2018

Hindi: Ny Tsy Fifohana Sigara Sy Ny Lavantinà Mpilalao “Cricket”

Mitatitra ny vaovao farany avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Hindi i Amit Gupta, isan'izany ny vaovao ratsy mikasika ireo lehilahy mpifoka sigara, ny vaovao tsara ho an'ireo mpankafy "Criket" ao Hyderabad, ary ny vaovao mamelom-panantenana mikasika ny famerana ny fiparitahan'ny SIDA.

23 Avrily 2018

Anatin'ny Mason'ny Tafiodrivotra: Miteny Ireo Bilaogera Ao Bangladesh

Namoaka ny fihetseham-pony manoloana ilay rivodoza Sidr, izay nandravarava ireo morontsiraka atsimon'i Bangladesh, ireo bilaogeran'ny Nari Jibon. Vakio ny tantaran-dry zareo momba io loza io, ny faharetany ary ny ezaka fanarenana nataony. Vakio ihany koa ny fiofanana farany nataon'izy ireo momba ny Lahatsary sy ny kamerà dizitaly.

Rosia: Nahazo ny loka Runet ny “Help Map”

Akon'ny RuNet

Nahazo ny Loka Runet 2010 lehibe indrindra tamin'ny sokajy " Fanjakana sy ny Fiarahamonina" ny Toniandahatsoratry ny Runet Echo Grisha Asmolov and Alexey Sidorenko .

20 Avrily 2018

Ozbekistana: Hatsiaka Hafahafa, Fiafaràn'ny “Nirvana” ary ny Tena Politika Mikasika ny Miralenta

Na teo aza io hatsiaka mahery vaika io, niaina ny fianany manokana ihany ny renivohitra. Voafidy ho mpitondra tenin'ny parlemanta i Dilorom Tashmuhamedova [kandidà taloha tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Desambra 2007].

16 Avrily 2018

Kazakhstan: Mitolona amin'ny Fiainana sa Miadana?

Tsy fanitaran-dresaka ny flazàna fa firenen’ny fifanoherana i Kazakhstan: ny fahantrana fahadiranovana eo anilan’ny harena voajanahary tsy hita pesipesenina, ny fitomboana ara-toekarena miaraka amin'ny fitotongananan'ny sehatra ara-piarahamonina sy ny fihitaran'ny fahefam-panjakana, ary ny fandeferana mifanila amin’ny fanavakavahana.

Ozbekistana: Mikolokolo Ny Fahalalahana Miteny Ny Fanaovana Blaogy

Vao haingana, nokilasian'ny Departemantam-panjakana Amerikana ho anisan'ireo firenena "folo voalohany" amin'ireo firenena tena mpanao didy jadona erantany i Ozbekistana. Nandritra ny efa ho roapolo taona nanjakany, ny filoham-pirenena I. Karimov sy ny ankolafiny no nandray an-tanana ny fifehezana ireo lafim-piainana rehetra ao amin'ny firenena - ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.

15 Avrily 2018

Miady Hevitra momba An'i Darfur: Mametraka Fanontaniana Amin'ny Ambasadera Sodaney ao Amin'ny Firenena Mikambana Ny Bilaogera

"Inona no tadiavin'i Sodàna?" "Iza no heverinao fa manome fitaovam-piadiana ho an'ny mpikomy?" Ireo fanontaniana tsotra mamitaka ireo no napetraky ny mpidinika tamin'ny hetsika Reuters Newsmaker tamin'ny ambasadera Sodaney ho an'ny Firenena Mikambana tao New York ny 24 May, 2007.

13 Avrily 2018

Tontolo Arabo Manohitra Ny “Fandripahana ao Gaza”

Mitaraina noho ny manjò ny vahoaka ao Gaza ny olona manerana ny tontolo Arabo taorian'ny fanafihana marobe nataon'i Israely, izay nahafatesana  Palestiniana 200 mahery sy naharatrana 700 mahery.

Ireo Ankizy Anaty Krizy Sy Ny Andraikitr'Ireo Mpanao gazety – Ambarao Ny Media Izay Eritreretinao

Aiza no toerana mampidi-doza indrindra amin'ny maha-ankizy? Raha liana ianao, tsiriho ireo vokatry ny adihevitra.