Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Novambra, 2018
Kenya: Sary mampihetsi-po momba ny fitroarana sy ny fanantenana
Afaka milaza tantara ny teny, afaka manome soritra antsika ny sary, ary manana fomba hampitambarana azy roa ireo ny lahatsary, ka mahatonga ny fanamorana ny fifandraisana ara-pihetseham-po momba ny zava-mitranga.
Fonjain'i Maoritania i Biram Dah Abeid, mpikatroka anti-fanandevozana — ary ampanalaviriny ny parlemanta nahavoafidy azy koa
Nolazaina fa noho ny fandrahonana mpanao gazety iray manana fifandraisana akaiky tamin'ny fitondrana maoritaniana no antony nandefasana azy ho any am-ponja.
Sahara Andrefana: Tany misy vanja nandratra mpanao fihetsiketsehana dimy
Ny herinandro lasa teo, nijoro ho an'ny firaisankina manoloana ny berm ("Rindrin'ny Henatra") izay naorina teo anelanelan'i Maraoka sy Sahara Andrefana, izay lazain' i Maraoka fa fiandrianam-pirenena ny Saharawis sy Spaniards.
Sahara Andrefana: Tapitra ny fahavaratra ho an'ny ankizy Sahrawi
Fotoana hanararaotan'ny olona maro hijery toerana vaovao, samihafa ny fahavaratra. Mandeha any ivelan'ny sisintan'ny firenena izy ireo, ary mitrandraka fiteny, tontolo sy rafitrano samihafa. Mety hiova ny fiainana mandritra ny fialan-tsasatra fahavaratra, satria tsy azo antoka izao tontolo izao ary maro ireo fanamby ivelan'ny tanindrazana sy ny asa mahazatra.
Sodàna: fampielezankevitra momba ny fanalàna fampiasàmbola
Natao ny fampielezan-kevitra momba ny fanalana fampiasambola niasa tao Sodàna mba hanerena ireo Amerikana mpampiasa vola hanala ny volany any amin'ireo orinasa miasa ao Sodàna.
Palestina: Hatezerana Noho ny Nahafatifaty Fahatany Zazalahy kely Iray
Araka ny tatitra iray nataon'ny BBC News, nitifitra zazalahy kely iray 10 taona ireo miaramila israeliana ary nahafaty azy nandritra ny fihetsiketsehana nanoherana ny sakana najoro tao Naalin. Na dia nitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana hafa tamina bala fingotra aza ireo miaramila ary nandratra olona 18, io zazalahy kely io irery no hany tokana voan'ny bala tena izy.
Zeorzia-Rosia : Ady anaty Aterineto
Ankehitriny, ady no eto amin'ity fanaovana karajia ity, Rindrin'ny tsy fahaizana mifankahazo, fifanomezana tsiny, fiampiangàna, fifanompàna ary ilaozan'ny olona izy, toy ny mpitsoaponenana. Androany, iray tamin'ireo olona fantatro no nanoratra tamiko hoe nialàny ilay vondrona. Toy ny hoe tsy misy intsony ny fitiavana sy ny fanembonana ny omaly. Androany, lasa tanin'ady