Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Mey, 2017

25 Mey 2017

Maraoka: “Gaza Avokoa Izahay”

Rabat dia 3850 kilaometatra avy ao Gaza, saingy tsy manakana an'i Maraoka tsy hahatsapa fahatsapana firaisankina lehibe amin'ny Palestiniana izany. Satria mitohy miharatsy ny fanafihan'i Israely an'i Gaza, Manohy miloa-bava ireo bilaogera ao Maraoka.

24 Mey 2017

Kôlômbia: Ny Famindràna Toerana Ny Mponin'i Ituango

Tery eo anelanelan'ireo mpiady anaty akata sy ireo vodrrona mitampidiana ivelan'ny tafika, voatery nandao ny taniny ary nikaroka fialofna atany an-tanàndehibe ireo olona miaina any amin'ny manodidina ilay tanàna kôlômbiana, ao Ituango. Ireo bilaogera no manoritsoritra ny toedraharaha.

Nizera: Manavotra Aina Amin'ny Someso

Nisedra olana ara-tsakafo i Nizera, izay nananontanona ny antsasak'ireo vahoaka 14 tapitrisa monina ao amin'ny firenena. Niantso fanampiana maika tamin'ny sehatra iraisampirenena noho ny maha-olombelona ny Firenena Mikambana. Bilaogera iray ao amin'ny Concern US blogs, Amanda McClelland, no mitatitra momba ny fandarahanasa iray hampiasàna ny someso mba hanapariahana vola maika...

23 Mey 2017

Japàna: Afaka Isorohana Famonoantena Ve ny Twitter?

Rehefa nandinika ny fitomboana mampivarahontsan'ny isan'ireo tanora manapaka hevitra hamono tena isantaona, nifanakalo hevitra ireo bilaogera vitsivitsy momba ny hampiasàna ny Twitter ho fampiroboroboana ny fifampiresahana sy ho fanampiana amin'ny fisorohana ny famonoantena.

Ejipta: Gaza No Lohateny Vaventy

Entin'i Eman Abd Al Rahman ho antsika ireo lohateny vaventy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana milaza ny fahorian'ireo Palestiniana tao Gaza tamin'ny Janoary 2008. Andro efatra nanaovana fahirano nampilentika an'i Gaza ho anaty haizina, niteraka antso iraisampirenena sy hatezerana teny amin'ny arabe Arabo ho fampitsaharana ny fandripahana.

22 Mey 2017

Fiarahamonina ho an'ireo Mitondra Otrikaretina SIDA

Resadresaka Hanatsarana ny Tany

Nampangain'ireo vondrona isankarazany mpiaro zon'olombelona ny governemanta Kambodziana ho nametraka tsy araka ny sitrapony fiarahamonina iray ho an'ireo mitondra otrikaretina SIDA rehefa nametraka fianakaviana 40 miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH sy SIDA ho any amin'ny vohitra iray 25 kilaometatra miala ny tanànan'i Phnom Penh

Bilaogy Ho An'ny Hetsika Vonjitaitra

[....] tetikasa tsara ho an'ireo izay manohana ny fandraisana andraikitry ny Global Voices

13 Mey 2017

Sehatra Nanampy Ireo Mpifindra-monina An'arivony Hifandray Amin'ny Fianakaviany

Manerantany, tombanana ho 65 tapitrisa eo ireo olona voatery nandositra ny tanindrazan'izy ireo noho ny antony samihafa. Ity sehatra ity dia mikendry hampifandray ireo fianakaviana tafasaraka.

11 Mey 2017

Fanamby Ranon-tsira, Mandingana Sakafo sy #DignityStrike: Maneho Firaisankina Amin'ireo Gadra Mitokona Tsy Hisakafo Ny Palestiniana

Isan-taona isaky ny 17 Aprily, mankalaza ny Andron'ny Gadra Palestiniana ny Palestiniana ao anatin'i Palestina sy ny any am-pielezana mba hihazonana ny fankalazana sy ho fantatr'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fisarihana ny saina manoloana ny fijalian'ireo gadra Palestiniana.

08 Mey 2017

Mahery Fo Roa Tratry ny Fanafihana Tamin'ny Asidra, Eny ambony Fandrian'ny Hopitaly No Manàla Fanadinana

Tsy navelan'i Seema Basnet sy Sangita Magar ho vato misakana ny fianaran'izy ireo ny ratra nanjo azy.