Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Marsa, 2018

31 Marsa 2018

Japana: Ireo Labozia Ranomandry Mamelom-panantenana Ho An'i Haiti

Over 100 international students of the International University of Japan joined together to build a snow ball in lighting the candle of hope for Haitians who have been suffering from the earthquake devastation since January 12th. Mpianatra maherin'ny 100 avy amin'ny firenena samihafa no niara-nanangana baolina ranomandry mba handrehetana ny...

28 Marsa 2018

Tondraky Ny Onjan-drano i Egypta 

Faritra sy tanàndehibe maro no tondraka noho ny fiakaran'ny rano tampoka sy ny oram-baratra tany Egypta.

27 Marsa 2018

Pôrtô Rikô: Nalahelo Noho Ny Horohorontany Ny Bilaogera

Tokony ho tsaroana amin'ny tantaran'ny heriny sy ny fiaretany tsy manam-petra i Haiti. Haïti no firenena voalohany tany Amerika Latina nahazo ny fahaleovan-tenany, ary repoblika mainty voalohany taorian'ny fanjanahan-tany manerantany. Ankehitriny, tsy maintsy tsaroana mihoatra ny hatramin'izay, ny vahoaka Haitiana sy i Haïti..

26 Marsa 2018

Repoblika Dominikana: Manampy An'i Haiti Mpifanolo-bodirindrina Taorian'ny Horohorontany

Resadresaka Hanatsarana ny Tany

Ifampizaran'i Haiti sy ny Repoblika Dominikàna ny nosy Hispaniola. Raha ny tao amin'ny Repoblika Dominikàna ihany no niharan'ny horohorontany, nijaly ny faharavàna goavana i Haiti taorian'ny horohorontany. Manao izay vitany mba hanampiana ny mpifanolo-bodirindrina aminy ny Dominikàna.

24 Marsa 2018

Haiti: Mikaonty Ny Fotoana Ho An'ireo Tafavoaka Velona Tamin'ny Horohorontany

Amerikana mpanampy mpitsabo 24 taona i Keziah Furth, izay miasa ho an'ny ankizy ao Haiti. Afaka niantso tany an-trano izy androany, ary nandefa ity tantara ity mikasika ny zava-niainany hatramin'ny horohorontany tao amin'ny bilaoginy, Mwen renmen ti moun Ayiti yo!

Haiti: Sioka Avy Eny Ifotony

Satria manakoako manerana izao tontolo izao ny hatsiravin'ny horohorontany tany Haïti, mponina ao an-toerana maromaro, mpanao gazety avy any ivelany, ary mpiasa mpamonjy voina no nisioka avy eny ifotony. Misy ireo miasa mba hanangona fanampiana sy vola, ny hafa kosa miezaka mampiseho amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga ao Haiti.

18 Marsa 2018

Myanmar : Lahatsary Avy Amin'ny Mponina Taorian'ny Fandalovan'ny Rivodoza Nargis

Na teo aza ny fandraràna natao tamin'ireo mpanao gazety napetraky ny junta Birmàna mpitantana ny firenena, dia nivoaka ihany ny olona ary naka sary ny zava-misy marina niainan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza voajanahary. Ny 2 May 2008, nandalo tao Myanmar (Birmania) ilay rivodoza Nargis, izay nahatonga fahasimbana goavana ary an'arivony ireo...

05 Marsa 2018

Diaben'ny Belza 10.000 Ho Fampanajana ny Zon'ny Mpifindramonina ao Bruxelles

Manohitra ny volavolan-dalàna mamela ny polisy hanao fisavana an-trano ikarohana ireo olona tsy manan-taratasy ny mpanao fihetsiketsehana, mitady ho zava-mahazatra loatra ny zavatra atahoran-dry zareo.

03 Marsa 2018

Libanona: Fanangonana Kilalao [Fun(d) Raising]

Vondrona bilaogera Libaney no nanapa-kevitra hampitsiky ireo ankizy sahirana amin'ny alàlan'ny fanomezana kilalao Krismasy. Fun(d) Raising (Fanangonana Kilalao) no anaran'ny tetikasan'izy ireo ary mitondra fifaliana sy fahafinaretana ho an'ny rehetra izany.