Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Vonjy Voina tamin'ny Marsa, 2012

27 Marsa 2012

Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut

Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity...

26 Marsa 2012

Palestina: Mijaly Ny Mponina Ao Gaza Fa Tapaka Jiro Tsy Misy Solika

Folo taona mahery izay dia lasa mifameno ny voambolana "Gaza" sy "krizy". Ny hadadasiky ny krizy dia hatramin'ny ady sy fandarohana baomba sy fananiham-bohitra miaramila ka hatramin'ny fibodoana ara-miaramila, ka ny tamin'ity tranga ity kosa dia tsy misy ny solika ary tapaka ny herinaratra.

18 Marsa 2012

Taorian'ny Kony 2012, “Inona No Tiako Momba An'i Afrika” Ho Setriny

Izay rehetra mpanaraka ny median'olotsotra tamin'ity volana ity dia tsy afa-miala tamin'ilay adihevitra mafana manerantany momba ny fanentanana nalaza vetivety momba ny Invisible Children hisamborana ilay mpamono olona an'ady sady mpitarika ny tafika mpioko ongandey Joseph Kony. Raha nahazo ny fifantohana nokendreny ny Kony 2012, dia maro kosa ny Ongandey sy...

Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!

Nosamborin'ny Etazonia ilay  mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter. Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba,  ao...

15 Marsa 2012

Oganda: Yes We Kony! na “Eny Mi-Kony Izahay”

Nandray kihon-dàlana iray vaovao ny fanentanana iray anaty media sosialy mba hanairana ny saina hanohana ny fisamborana ilay Ogande mpitarika ady anaty akata sady mpanao heloka an'ady efa karohana fatratra, Joseph Kony. Miley be aty anaty aterineto ankehitriny ireo lahatsary maka tahaka amin'ny fomba mahatsikaiky.

11 Marsa 2012

Shina: Tetikasa Ao Amin'ny Atetineto Entina Hanampiana Ireo Mararin'ny Pneumoconiose

Natsangana ny tetikasa fanampiana iray nataon'ireo mpampiasa aterineto , "Love Save Pneumoconiosis" ny tapaky ny taona 2011 mba hanampiana iero mararin'ny pneumoconiose. Ny Pneumoconiose dia aretina maherivaika mahazo ny havokavok'ireo mpiasa vokatry ny fifohana vovoka, izay miatraika indrindra any amin'ireo mpiasa mpifindra monina avy any ambanivohitr'i Shina.

05 Marsa 2012

Voaheloka Ho Nanitsakitsaka Ny Zon'olombelona Nanoloana Ireo Mpitsoa-ponenana Afrikana i Italia

Ny 23 febroary, didim-pitsarana manan-tantara no navoakan'ny mpikambana ao amin'ny fitsarana eraopeana momba ny zon'olombelona manana ny foibeny ao tamin'ny nanamelohany an'i Italia tsy nisy nandà noho ny fisamborana sy famerenana ireo mpitsoa-ponenana avy any atsimon'i Sahara, izay manitsakitsaka tanteraka ireo fifanekena sy fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin'i Italie