Namely mafy ny faritra Afrika Andrefana ny aretina Ebola mahafaty olona mbola tsy nisy tahaka izany ka 700 no namoy ny ainy hatramin'ny volana Marsa. Liberia, Sierra Leone, Ginea ary Nizeria no firenena tratran'ny aretina hatramin'izao. Tamin'ny 9 Febroary tao amin'ny alan'i Guinea no nahitana ny tranga voalohany. Niparitaka haingana tao Conakry renivohitra ary avy eo tao amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy ao Liberia sy Sierra Leone ilay valan'aretina. Voalaza fa 59 no fitambaran'ny olona namoy ny ainy noho ny Ebola tao Ginea tamin'ny volana Marsa. Noho ny fianahana haingana an'iilay valan'aretina, voalaza fa olona roa koa no namoy ny ainy tao Lagos, Nizeria, tao amin'iray amin'ireo tanàna be mponina indrindra ao amin'ny faritra. Nanjary nifindran'ny aretina Ebola ilay mpiasa Amerikana mpanao asa soa, Dr. Kent Brantly sy ny mpiara-miasa aminy Nancy Writebol raha niasa tao amin'ny toeram-pitsaboana ao Monrovia; nafindra tao amin'ny Oniversiten'i Emory akaikin'ny Foibe Fanarahamaso ny Aretina izy ireo mba hotsaboina. Nanjary niteraka resabe teo amin'ireo mpanara-baovao Afrikanina ny tsy fahazoana avy hatrany ny fitsaboana izay efa vonona ao Etazonia.
Indreto ny fanazavana an-tsary efatra ho famintinana ny toe-javatra ankehitriny eny ifotony:
1. Famintinana Ankapobeny Mikasika Ny Aretina Ebola (tao amin'ny @thedailymonitor tamin'ny 01/08/2014)
#INFOGRAPHIC: The west African #Ebola outbreak has now claimed more than 700 lives. pic.twitter.com/4UhL3xfOwZ
— Daily Monitor (@DailyMonitor) August 1, 2014
#INFOGRAPHIC: Maherin'ny 700 ankehitriny ireo olona namoy ny ainy tamin'ny fihanaky ny aretina #Ebola ao Afrika andrefana. pic.twitter.com/4UhL3xfOwZ
2. Foibe Fitsaboana misy ao amin'ny faritra mitaha amin'ireo fisian'ireo tranga voalaza (tao amin'ny @aiddata, 01/07/2014)
Noon #ARC Highlight @dadakim: #Ebola outbreak spotlights limits of local & intl response http://t.co/89uz33DFEJ @ajam pic.twitter.com/D8U0pUaTyd
— AidData (@AidData) July 31, 2014
Noon #ARC Manasongadina an'i @dadakim: Mampiharihary ny fetran'ny setriny iraisam-pirenena sy ao an-toerana ny fihanaky ny aretina #Ebola http://t.co/89uz33DFEJ @ajam pic.twitter.com/D8U0pUaTyd
3. Ahoana no amantarana ireo trangan'aretina Ebola ary inona no tokony atao (tao amin'ny @4eyedmonk ao Nizeria sy @katiejames)
An official death due to the Ebola virus has been reported in Lagos. Here is what you need to know about the virus.. pic.twitter.com/wbb3B7pT46
— Henry Okelue (@4eyedmonk) July 25, 2014
Notaterina tamin'ny fomba ofisialy fa nisy ny olona namoy ny ainy noho ny otrik'aretina Ebola tao Lagos. Ity no ilaina ho fantatra momba ny otrik'aretina..pic.twitter.com/wbb3B7pT46
Ebola Symptoms lets all RT #Ebola #EbolaOutbreak #Ebolasymptoms pic.twitter.com/cmr4SdHIOh
— Katie James (@_Katie_James_) July 29, 2014
Famantarana ny trangan'aretina Ebola #Ebola #EbolaOutbreak #Ebolasymptoms pic.twitter.com/cmr4SdHIOh
4. Fantaro ny lalam-piainana ara-boajanaharin'ny Ebola (tao amin'ny CDC)