Sambo Mpitondra Mpandeha Be Olona Loatra Rendrika tao Bangladesh; 2 No Maty, Mihoatra ny 100 Nanjavona

Bangladeshi rescue workers search the waters where an overloaded ferry capsized in the Padma River in Munshiganj, some 30 kilometres (20 miles) south of the capital Dhaka. Image by Fahad Kaizer. Copyright Demotix (4/8/2014)

Mpamonjy voina Bangladeshi mikaroka anaty rano ny toerana nivadihan'ilay sambo mavesatra loatra tao an-dreniranon'i Padma ao Munshiganj, 30 km atsimon'ny renivohitra Dhaka. Saripikan'i Fahad Kaizer. Copyright Demotix (4/8/2014)

Nisy sambo mpitondra mpandeha iray nivadika tao an-dreniranon'i Padma river an-dalana ho any Mawa ao Bangladesh, tokotokony ho 30 kilaometatra atsimon'ny renivohitra Dhaka. Ny herin'ny onja no nitarika ny loza tokony ho tamin'ny 11 ora atoandro ora Bangladesh tamin'ny alatsinainy. Nihoatra lavitra ny tokony ho zakany no nentin'ilay sambo izay nitondra olona 250 raha kely indrindra.

Mandeha ny ezaka hamonjena ireo mpandeha avy eny an-drenirano. Farafahakeliny dia olona roa no maty ary mihoatra ny zato ny olona nanjavona araka ny tatitra re farany indrindra (nandritra ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy).

Nisy olon-tsy fantatra naka sary tamin'ny finday ilay sambo rendrika avy amin'ny sambo iray hafa teo akaikiny. Mpisera maromaro no nampakatra ilay lahatsary tao amin'ny YouTube sy ny Facebook tahaka an'i RisingBD, ary dia nalaza ilay lahatsary.

Voahelingelina ny asam-pamonjena noho ny hamafin'ny fitsokan'ny rivotra sy ny fisamontan'ny onja ao amin'ny reniranon'i Padma. Mbola mila mamantatra ny toerana ambanin'ny rano nilentehan'ny sambo rendrika anefa ny mpamonjy voina.

Tratran'ny karazam-boina miverimberina tahaka izao hatrany i Bangladesh rehefa fotoanan'ny rivotra manorana tao anatin'ny taona vitsivitsy izay. Anisan'ny antony mahatonga izany ny haratsin'ny sambo izay mahatratra 10.000 no mivezivezy ao amin'ny firenena nefa mihoatra noho izay tokony ho zakany ny mpandeha, indrindra rehefa amin'ny fetin'ny Eid sy ny tsy fisian'ny fanaraha-maso.

Blaogera ampielezana Haseeb Mahmud naneho hevitra amim-piketronana tao amin'ny Facebook rehefa nandre ny fisian'ny voina:

লঞ্চ ডুবি হইছে। শত শত লোক ডুবে মারার খবর কিছুক্ষণের মধ্যেই আসতে শুরু করবে।

যেটা হবে,
– সীমিত সম্পদ নিয়ে একটা উদ্ধার অভিযান
– ফেইসবুকে ঈদ পরবর্তি নতুন ইস্যু। স্ট্যাটাস, ইভেন্ট, ফান্ড কালেকশন।
– প্রচুর ক্যামেরা সহযোগে শাহবাগে মানববন্ধন

যেটা হবে না,
– ব্যাটারি রিক্সা থেকে শুরু করে বিমান পর্যন্ত যানবাহনের একটা কার্যকর কন্ট্রোলিং বা মান নিয়ন্ত্রন সিস্টেম গড়ে তোলা। এবং এই সিস্টেম যাতে গড়ে ওঠে সেটার জন্য একটা দীর্ঘমেয়াদি নাগরিক আন্দোলন (এঞ্জিওদের ফান্ড কালেকশন দৌঁড়ঝাপ বা বছরে একটা সংবাদ সম্মেলনকে আন্দোলন বলা হচ্ছে না এখানে) চালিয়ে যাওয়া।
– বিভিন্ন কাজে হাজার হাজার কোটি টাকার গল্প কদিন পর পর শোনা গেলেও যাত্রাপথের নিরাপত্তা বাড়ানোর জন্য কোন টেকাটুকা বরাদ্দের খবর পাওয়া যাবে না।
– মৃতদের বহু লাশ খুঁজে পাওয়া যাবে না। জানাও যাবে না তারা কে ছিলো, তাদের নাম কী।
– এতোগুলো মৃত্যুর জন্য দায়ী ব্যক্তিদের কোন বিচার হবে না।

Nisy sambo mpitatitr'olona rendrika. Ho henontsika tsy ho ela fa anjatony ny olona maty.

Ny hitranga:

- Vonjy voina amin'ny fitaovana voafetra
– Vaovao havoaka ao amin'ny Facebook taorian'ny fetin'ny Eid. Sata, hetsika, fanangonana fanampiana.
– Filaharan'olona manatrika ny fakantsarin'ny fampitam-baovao ao Shahbag (afovoan-tanànan'ny renivohitra)

Ny tsy hitranga:

- Manangana rafitra manara-penitra manara-maso ny sambo sy ny fifamoivoizana. Mila hetsika maharitry ny olom-pirenena vao mety mahatontosa ity rafitra ity (fa tsy irony valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tsindraindray sy ny fanangonana fanampiana avy amin'ny ONG ireny).
– Tsy hisy tetibola fanampiny ho entina hanamafisana ny fiarovana eo amin'ny zotra an-drenirano (na farihy).
-Betsaka ny faty tsy ho hita intsony. Ny tena loza, tsy ho fantatsika intsony hoe iza moa izy ireo, eny fa na dia ny anarany aza.
– Tsy hisy ny hotsaraina noho ny tsy fitandremana na hotondroina ho tompon'andraikitra

Bangladeshi onlookers gather near the scene where an overloaded ferry capsized in the Padma river in Munshiganj

Bangladeshi mpitazatazana mivorivory eo akaikin'ny sehatra itrangan'ny fivadihan'ilay sambo mpitondra olona tsy mahazaka ny vesatra entiny ao amin'ny reniranon'i Padma ao Munshiganj. Saripikan'i Fahad Kaizer. Copyright Demotix (4/8/2014)

Mpisera Twitter À Muse Dë Erato niampanga ny fantsom-pahitalavitra ao an-toerana tsy mitsahatra mandefa ny fanombohan'ny fivadihan'ny sambo mba hampiakatra ny isan'ny mpijery:

 Milaza ry zareo fa matin'ny Israeliana tao Gaza ny mahaolombelona ary dia averimberin-dry zareo hatrany ny lahatsarin'ny sambo rendrika ao Padma mandeha ao #Bangladesh”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.