Ejipte-Gaza : Rafah, lafy ejiptiàna

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009)

Nanaraka akaiky ny toedraharaha tao amin'ny Lemak'i Gazà i Nora Younis, mpanao gazety sady mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, ary namoaka tamin'ny 1 Janoary 2009 fanadihadiana iray avy any Rafah (Lemak'i Gazà), toerana niaretany tory niandrasany ny Taombaovao 2009.

Teny an-dàlany hamonjy ilay tanàna an-tsisintany ao Rafah, eo anelanelan'ny lemak'i Gazà sy Ejipta, natrehan'i Nora ny lozam-piarakodia iray nanjo ny fiaran'ny tafika ejiptiana, izay tsy nananany fanantenana be loatra ho an'ny taona 2009 (ao Ejipta) :

“Raha ny hita dia toa manamboninahitra ambony avy amin'ny tafika fahatelo lery. Nanontany azy momba ny toedraharaha misy ao amin'ny firenenay aho. Namaly izy, sady nanondro ny lanitra tamin'ny rantsany iray bory: “Eo an-tànan'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Korontana ambony ambany  izao”. Izaho manontany : “Na dia ao anatin'ny tafika aza ve ?”. Mamaly izy : ” Miha manantona 1967 iray hafa isika izao [ady naharitra andro enina]. Tsy ananan'ny tafika na fitaovana, na olona. Eo an-tànan'Andriamanitra isika”. “Efa amin'ny roa ora maraina izao, efa 2009. Nisy fiaramanidina israeliàna nandalo teo amboninay ary nandaroka baomba tsindraindray ny lemak'i Gazà amin'ny ilany ampitan'ny sisintany. Tsy dia afaka lazaiko marina loatra na iriana ny hoe taona vaovao feno fahasambarana. Iriko fotsiny ny mbola hijoro sy ho tafavoaka velona amin'izao. “

Rehefa voalaza izay, zendana ihany koa i Nora Younis tamin'ireo firariantsoa noho ny taombaovao, nifanakalozan'ireo Palestiniàna nàmany:

Arakaraky ny nanatonan'ny famantaranora ny misasakalina, ny 31 Desambra, tany amin'ny lafy ejiptiàna amin'ny sisintany tao Rafah aho, naharay SMS avy amin'ireo namako ao Khan Yunis, Jabalia sy Rafah… :

Mijere ao ivelany ;  MITSIKY AMINAO ny F-16

Mandihy ho anao ireo BALAFOMANGA

Mihira ho anao ZANNANA

satria samy nasaiko DAHOLO ry zareo mba hirary * TAONA VAOVAO IRAY SAMBATRA ho anao»

Nora Younis, izay mbola ao Rafah hatrany, dia mitohy mandrakotra ny ady, avy any amin'ny lafy ejiptiàna, ary mamoaka ny fitànany an-tsoratra ao amin'ilay vovonana fanoratana bilaogy madinika Jaiku, miaraka amin'ny fanavaozana tsy tapaka momba ny isan'ireo Palestiniàna maratra sy maty hatramin'ny nanombohan'ny daroka baomba nataon'ny israeliàna tao amin'ny lemak'i Gazà, ny 27 Desambra 2008. Namoaka ihany koa izy lisitra iray misy pejy valo ahitàna ireo fanafody ilaina ho an'ireo hopitaly ao Gazà :

 “Nalaiko sary tamin'ny findaiko ity lisitra misy pejy valo ity, ahitàna ireo filàna ara-pitsaboana ao Gazà – dia araka izany koa ny kalitaony. Lisitra avy amin'i M. Khalil Alniss, mpikambana ao anatin'ny fikambanana Justice pour Gaza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.