Siria: Fanomezam-boninahitra Ilay Mpanao Gazety Teratany Amerikana Marie Colvin Namoy Ny Ainy Tao Homs

Ampahany amin'ny vaovao manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Syrie taona 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Maty tamin'ny herinandro lasa teo i Marie Colvin sy Rémi Olchik, raha nisy nanafika ny toerana vonjimaika natao ho ivon'ny haino aman-jery  tao an-tananan'i  Baba Amr, tao Homs, ao Syria. Samy mpanao gazety nasaina namita iraka avokoa izy roa ireo. Solotena vahinin'ny Sunday Times mpifandray avy any ivelany no andraikitr'ilay vehivavy ary mpaka sary ho azy no asan'ilay lehilahy.

Tamin'ny Alakamisy 23  Febroary 2012, dia taitra ny tany tontolo raha naheno ny vaovao mikasika ny nahafatesan'izy ireo tao anatin'ny fatin-korontan'ilay ivontoeran'ny mpanao gazety nataon'ny hery mpmba an'i Assad ho lasibatra. Samy naneho fihetsika ho fahatsiarovana ireo mpanao gazety namoy ny ainy ireo ny  haino aman-jery rehetra sy ny mponina amin'ny aterineto maneran-tany, fahafatesana izay navoaka tamin'ireo lohateny vaventy, nisarika ny saina amin'ny zava-manjo ny vahoaka Siriana namoy ny ainy isan'andro  noho fihetsiketsehana fanoherana ny fanjakan'i Assad.

Namorona takelaka nampitondraina ny anarana hoe Marie Colvin's Eyepatch tao amin'ny facebook ireo mpikambana tao amin'io vohikala io izay noharina tamin'ny maso ankavia an'ilay mpanao gazety izay misy tapa-damba manakona azy noho ny ratra nahazo azy tamin'ny folo taona mahery raha nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritry ny ady sy fifandirana nisy teo amin'ny governemanta sy ny vondrona nantsoina hoe Tamil Tigers, na Sakadia Tamoul tao Sri Lanka.

Mpikambana ao amin'ny Facebook an-jatony maneran-tany no nanolotra ny teny fampiononana ho an'ny mpiara-miasa aminy. Ny sasany amin'izy ireo dia mpankafy azy, ny hafa dia mpiara-miasa taminy fahiny ary ny ambiny dia mpanao gazety izay niara-niasa taminy tany amin'ny toeran-kafa toy ny tany Misrata, Libya.

Santionany amin'ny fihetseham-po tao amin'ny takelaka Facebook ireto manaraka ireto:

شكراً
Misaotra betsaka

Ruhe in Frieden… Heldin!

Mandria am-piadanana… Vehivavy mahery fo!

Tsy ho adinonay mandrakizay ianareo , mpihoko  libiana, tianay ianareo, tsaroako tsara  ianareo teny am-bava ady

Vehivavy be fahasahiana ianao…Tena midera anao aho …velona mandrakizay ny lova navelanao..RIP

Ireo mpanoratra ireo  dia nahatsiaro tsara an'i Colvin ho mpanao gazety  sahisahy nanana fahasahiana mitatitra momba ny ady avy any ampotony any, lohalaharana tao Chennai, Inde, hatrany Misrata, tao Libia hatrany Homs, tao Siria.

Nampiasa haino aman-jery sosialy ihany koa ireo olona fanta-daza maro amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao mba hanomezam-boninahitra an'i  Colvin tamin'ny alalan'ny famoahana ny sanganasany faramparany teo amin'ny maha mpanao gazety azy.

Hoy i Piers Morgan:

@piersmorgan: Vao avy namaky teny fanomezam-boninahitra nahavariana natolotra ho an'i Marie Colvin nosoratan'ilay tonian-dahatsorany John Witherow tao amin'ny Sunday Times aho tao amin'ny gazety androany. Tena nahafinaritra mihitsy.

Ary manampy izany i Shadi Hamid:

@ShadidHalid: Maty ny alarobia i Colvin. Ity no hafatra maika farany sady nampalahelo nalefany avy tao Baba Amr: thetim.es/yLem2w #Syria

Saingy roa andro monja taorian'ny nahafatesan'i Olchik sy Colvin tampoka, izay nampihetsi-po, dia nanely horonantsary iray ny fahitalavitry ny fanjakana  Siriana Al Ikhbaria Suria nanda ny hadisoany tamin'ny fahafatesan'ireo mpanao gazety roa ireo.

Nanambara io horonantsary io (rohy etssy ambony) fa mety ho mpanao gazety mpitsikilo i  Colvin sy Ochlik, izay angamba niditra an-tsokosoko teo amin'ny firenena – izay mihitsy no nataon'izy ireo – saika hanohana ireo vondrona mitam-piadiana avy amin'ny  ankolafy mpanohitra.

Andro vitsivitsy taorian'io fanafihana io dia nilaza ny fanjakana Siriana fa halevina ao Siria ny nofo mangatsiakany fa tsy ho averina any Etazonia.

Nandefa tweet i Christiane Amanpour ‏manao hoe:

@camanpour TSY AVELAN'NY MPITONDRA FANJAKANA HO HITANTSIKA NY FATIN'I MARIE COLVIN. MBOLA MITOHY NY ASANY. HO ALEVINA ANY AMIN'NY TANY NAHALAVO AZY IZY

Tamin'io fotoana io ihany, – tao anatin'ilay fandaharana Anderson Cooper AC360 – dia namoaka horonantsary iray misy ny renin'i  Colvin, Rosanne Colvin ny CNN izay mitalaho manao hoe: “Tiako hody an-tanindrazana ny zanako vavy.”

Tao anatin'ilay horonantsary iray teo aloha, tao anatin'ny fandaharan'i Anderson Cooper nivoaka ny Alatsinainy alina, dia nanamafy i Rosanne Colvin fa “tsy maintsy ho tanterak'izy ireo [ny fianakavian'i Colvin] izany na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana ary na haharitra ela aza izany.”

Vaovao nampalahelo ny nahafatesan'i Colvin ho an'ny haino aman-jery maneran-tany sy ho an'ireo manome lanjany ny vaovao izay namoy vehivavy mpanao gazety malaza mahafantatra tsara ny hasin'ny fampielezam-baovao.

Ampahany amin'ny vaovao manokana mikasika ny hetsi-panoheran'i Syrie taona 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.