Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Janoary, 2011
Voasakana ny vohikala Blogspot any Kambodza
Nosakanana ireo vohikala Blogspot tany Cambodge rehefa nibaiko mpamatsy aterineto maro ny fitondràna hanakana ny blaogy malaza mpanohitra ny fanjakàna, KI Media. Efa "tsy voasakana" intsony ireo vohikala nefa matahotra ireo mpampiasa aterineto momba ity sivana aterineto tsy nanam-paharoa tany amin'ny firenena ity.
Tonizia, Alzeria: Tsy havoaka amin'ny fahitalavitra ny revolisiona
Nisarika ny fifantohan-tsain'ny mpitoraka blaogy any amin'ireo firenena roa tonta ireo ny fanoherana any Tonizia sy Alzeria. Toa mitàna toerana lehibe eo amin'ny fitantaràna ireo tranga miseho momba ny sivana...
Frantsa: Filaharam-pireharehana Toniziana tany Parisy
Anio, 15 Janoary, no manamarika ny "iray andro taoriana"sy ny andro voalohany naha-afaka an'i Tonizia tamin'i Ben Alia. Na eo aza ny ahiahiny momba ny herisetra tsy miato any Tonizia, ny havany ary ny hoavy, nampanantena tena ireo Toniziana 600 000 any Frantsa faindray andro any dia hifaly, hankalaza ary hizara fihetseham-po mahafinaritra iraisana. Ireto misy sary vitsivitsy avy amin'ny fampisehoana fireharehana Toniziana tany Parisy.
Mandray ny tolotra famatsiam-bola madinika ny Rising Voices ho an'ny tetikasa momba ny fanentanana ny fampiasàna ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra

Rising Voices, ny sehatra fanentanana ao amin'ny Global Voices, dia mandray tolotra tetikasa ho an'ny famatsiam-bola madinika hatramin'ny 4000$ ho an'ireo tetikasa momba ny fanentanana ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra. Fara-fahatarany dia amin'ny 4 Febroary 2011 no andraisana ny fisoratana anarana.
Palestina: Tatitry ny nanatri-maso momba ny baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny fihetsiketsehana tany Bil'in
Ny fahafatesana vehivavy Palestiniana iray tany Bil'in, voalaza ho noho ny fifohana baomba mandatsa-dranomaso tany amina fihetsiketsehana, dia niteraka fihetsiketsehana hafa indray androany - tamin'ity indray mitoraka ity voatatitra ary narahana akaiky tamin'ny fitoraham-blaogy kiritika Twitter.
Côte d'Ivoire : Sehona habibiana ao amin'ny fonja be gadra indrindra
Misy video mampikorontana ny fiaraha-monina Ivoriana amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Ahitàna ny miaramila midaroka gadra - voalaza ho mpomba an'i Alassane Ouattara - ao amin'ny MACA, fonja any Abidjan. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny krizy ara-politia any Cote d'Ivoire, am-polony ireo olona nosamborina tany Abidjan noho ny fironany ara-politika, ary nogadraina ao amin'ny MACA.
Meksika: Fankalazàna ny Mofomamin'ireo Mpanjaka telo
Ny 6 Janoary, mivory ny fianakaviana ary mihinana mofomamy manokana antsoina hoe "Rosca de Reyes" (midika hoe "Mofomamin'ny Mpanjaka"). Mpitoraka blaogy maro no nanoratra momba izany fomban-drazana izany, ny dikany sy ny fomba fankalazàna azy.
[Video] Sary avy amin'ny Tetikasa Fitrandrahana ny Zava-pady

Ity ny voalohany amin'ny laharana video telo notontosain'ny mpanao sarimihetsika any an-toerana Mahmoud Saber, izay mifantoka amin'ny famatsian'ny Rising Voices any Ejipta. Ity video voalohany ity dia manasongadina ny tetikasa Fitrandrahana ny zava-pady (Taboo) any Caire.
Brezila: Blaogy hanihany voasivana

Ity dia pejy fandraisana ny vahinin'ny blaogin'i Paul Martins, mpiandraikitra ny ARTICLE 19 Brazil. Raha mila fanampim-baovao, mifandraisa amin'i Rebecca Vincent ao amin'ny: paula [ arobazy ] article19 [ teboka]...