Candy · Desambra, 2010

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Desambra, 2010

COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka

Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.

31 Desambra 2010

Tohano ireo feo maro ao amin'ny Global Voices – Manomeza fanampiana izao!

Satria efa hifarana ny taona 2010, manao antso manokana izahay ho an'ny fanohanana amin'ny fanohizana sy fanitarana ny asa vitanay tamin'ity taona ity. Ny mpandrindra, mpanoratra ary mpandika teninay dia mandany ora maro isam-bolana hanambàrana ny haino aman-jerin'olontsotra avy amin'ny faritra sy ny fireneny, mifidy sy mampifandraika ireo feo tena mahasarika, tantara sy hevitra, manampy amin'ny fahafenoan'ny sarin'ny tontolo iainantsika. Raha mino ianao fa manome fahalalàna ho an'izao tontolo izao izahay, mba manaova fanohanana.

15 Desambra 2010

India: Heloka ve ny fampitàna mailaka?

Niteraka fifanoherana ny lalànan'i India momba ny aterineto, noho ny fanararaotana amin'ny fampiasàna azy. Nosamborina i Moithu (47), mpiasan'ny governemanta ao amin'ny fitondràna Indiana Kerala,  noho ny nampitàny mailaka vazivazy...

06 Desambra 2010

Kambodza: Loza noho ny fifanosehana nandritra ny Fetin'ny Rano

Izany dia tamin'ny ora faran'ny andro farany tamin'ny fankalazàna ny fetin'ny Rano tany Cambodge. Nisy fifanosehana teo amin'ny tetezana mpampitohy nosy iray amin'ny tanàna ary nahafaty olona maherin'ny 300. Ireto misy fijoroana vavolombelona sy fanehoan-kevitra avy amin'ny blaogy.

04 Desambra 2010