Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Avrily, 2018
Mitady Fanampiana Ho An'ireo Niharam-boina Noho Ny Rivodoza Sidr Ireo Blaogy Bangla
Ho an'ireo izay monina ivelan'i Bangladesh, miangavy azy ireo ny Somewherein mba handefa ny fanampian'izy ireo mivantana ho any amin'ny tahirimbolan'ny "Save the Children Cyclone Relief" satria ho an'ireo mponina eo an-toerana irery ihany no miasa ny SMS.
Tajikistan: Fipoahana Tao Dushanbe – Fiokoana Sa Tsia?
Ny zava-misy dia tena zavatra tsy mahazatra ho an'i Dushanbe io karazana fipoahana io noho izy azo lazaina ho tany mandry fahalemana.
Ozbekistana: Mikolokolo Ny Fahalalahana Miteny Ny Fanaovana Blaogy
Vao haingana, nokilasian'ny Departemantam-panjakana Amerikana ho anisan'ireo firenena "folo voalohany" amin'ireo firenena tena mpanao didy jadona erantany i Ozbekistana. Nandritra ny efa ho roapolo taona nanjakany, ny filoham-pirenena I. Karimov sy ny ankolafiny no nandray an-tanana ny fifehezana ireo lafim-piainana rehetra ao amin'ny firenena - ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.
Tanjona Amin'ny Famoahana 2018: Fampidirana Vondrom-piarahamonina Lehibe Kokoa sy Marolafy Ahitàma Mpandray Anjara Avy Ao Eoropa Afovoany Sy Atsinanana
Ny tanjon'ny taona 2018 ho an'i Eoropa Afovoany sy Atsinanana dia ny hananana fara-fahafahakeliny mpanoratra iray miasa mavitrika isaky ny firenena avy ao amin'ny faritra, noho izany hanana solontena ao amin'ny GV avokoa ireo firenena 22.