Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Novambra, 2013
Mandà Ny Tolo-dalàna Hamaritana Ny Refin'ny Fahantrana i Singapour
"Malaza ho mpamariparitra ny zavatra rehetra" i Singapour ka ao anatin'izany "ny isa mazava momba an'ireo olona izay mikambana ao anatinà vondronà tsy manara-dalàna tanteraka". Mahagaga anefa, fa ny firenena manan-karena indrindra eran-tany dia mbola tsy namaritra ny refin'ny fahantrana akory.
Miaraka Aminay Eny Foana Ny Aterineto N'aiza N'aiza Alehanay
Vao nampahafantarina vao haingana ny fitaovana fisintonana ny onjan'ny zanabolana, ka ny Rising Voices no ho afaka hitondra ny aterineto any amin'ny faritra maro, izay tsy dia ahitàna na tsy misy fomba ahazoana aterineto, ka manokatra làlana sy fahafahana vaovao hampianatra sy hizara ao amin'ny aterineto izany.
SARIPIKA: Voatoraka Entona Mandatsa-dranomaso Ireo Shia Mpisaona Tany Bahrain
Voatoraky ny entona mandatsa-dranomaso tany Bahrain ireo mpisaona avy amin'ny Shia raha nankalaza ny fanombohan’ny volana silamo Muharram, araka ny voalazan’ireo mahery fo, izay manondro ny fitondrana Bahraini ho nanafika ny fahalalahana ara-pivavahana tao amin’ity fanjakana Arabo feno fitaintainana ity.
Mampiasa Polisy Miaramila i Honduras Hiadiana Amin'ny Asa Ratsy
Nanaitra ny ahiahy teo amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ireo olom-pirenena ity fepetra vaovao ity izay mahita azy io ho manohintohina ny zon'olombelona.