Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Septambra, 2022
Fikambanan'ny mpanao gazety ao Makedoniana Avaratra, manameloka ny rahom-bava natao tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety
Vehivavy iray mpanao gazety nanamarina ny banga tamin'ny asan'ireo mpanala fako ao Skopje no norahonan'ireto farany tamin'ny filazàna fa mety hitera-doza izany ho an'ny tenany, ny fianakaviany ary na dia ny alikany aza, nitaky azy hamafa ireo sary manameloka an-dry zareo.
Miteraka hatezerana eny anivon'ny fiarahamonina Kyrgyz ny fitomboan'ny herisetra atao amin'ireo vehivavy sy tovovavy
Na dia teo aza ny lalàna nankatoavina mikasika ny herisetra ara-nofo (anisan'izany ny herisetra atao amin'ireo ankizy), ny fakàna an-keriny ny hovadiana sy ny herisetra ao an-tokantrano, lalim-paka ny tsy fetezan'ny rafitra fanatanterahana izany - saika efa lany andro.
Tanàna atao fahirano: Ahoana ny fomba fanampenam-bava ny gazety any Zimbaboe
Ho famokarana fitantarana eken'ny Fanjakana na ny antoko mpanohitra, voafandrika ao anaty ady stratejika ireo mpanao gazety
«Lazain-dry zareo fotsiny fa hisy ny fandrosoana:» tovovavy guaraní iray mitaky vaovao momba ny fiantraikan'ny tetikasa goavana iray eo amin'ny fiarahamonina
Raha manao fikarohana ny teny hoe "làlana" ianao any anatin'ireo media sasantsasany, inona no hitanao? Tsindrian'i Madelyn Paredes Maroni fa ampiasaina io teny io ho entina milaza fandrosoana sy fidirambola ho an'ireo vondrompiarahamonin'ny vazimba teratany.
Bangladesh, mandray latsaky ny 2 USD isanandro, velona amin'ny fomba ahoana ?
Niditra tamina fitokonana ireo mpiasan'ny dite ao Bangladesh hitakiana karama BDT 300 (3,16 dolàra amerikàna). Nahazoan-dry zareo fisondrotana 25 isanjato, BDT 170 (1,80 dolara amerikàna), ny fitokonana nataony. Fa ampy ve izany?