Candy · Novambra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Novambra, 2012

Vahaolana Ara-dalàna Ho An'ny Fitsaràm-bahoaka Any Nizeria?

  13 Novambra 2012

Tamin'ny 5 Oktobra 2012, mpianatra efatra avy tao amin'ny Anjerimanontolon'ny Port Harcourt any Nizeria no nodarohana ary nodorana velona noho izy ireo voalaza fa nangalatra finday blackberry sy solosaina filanja. Ny herisetra nahafaty ireo mpianatra ireo dia niteraka adihevitra sy fihetsiketsehana tamin'ny aterineto mba hanoherana ny fitsaràm-bahoaka any Nizeria.

Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

GV Mpisolovava  10 Novambra 2012

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.

Bahrain: Iza no naheno ny fanapoahana baomba ary iza no niharany?

Nilaza ireo manamboninahitra ao Bahrain androany fa mpiasa vahiny roa no maty ary ny fanintelony naratra mafy nandritra ny fanapoahana baomba dimy samihafa tany amin'ny faritr'i Gudaibiya sy Adliya, any amin'ny renivohitra Manama. Tao amin'ny Twitter, tamin'ahiahy ihany no nandraisana izany vaovao izany niaraka tamin'ny antso ho an'ny vahaolana ara-politika mba hanatsaharana ny korontana any amin'ny firenena, taorian'ireo tolona manohitra ny fitondràna izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011.

Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?

  08 Novambra 2012

Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tombana ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa amin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.