Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Avrily, 2011
Chile: Nanafaingana Ny Fitaterana Taova Ny Mpitsabo Mpanampy iray Tamin'ny Alalan'ny Twitter
Cristina Bizama (@cristi_enf), mpitsabo mpanampy ao amin'ny tobim-pitsaboana Talca any Chili, dia nahavita nanafaingana ny fitaomana ny taova hafindra avy any Talca mankany Santiago renivohitra, any amin'ny 260 kilometratra miala avy ao. Tweet iray no nanombohan'ny zava-drehetra: "Tsy mampino! Tsy misy fomba hitaterana taova 5 mankany [Santiago]." Avy hatrany dia nandray andraikitra ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter.
Ejipta: Mitolona Ho An'i Siria
Maro ireo Ejiptiana niaraka tamin'ireo mpianatra Siriana izay nitangorona nanoloana ny masoivoho Siriana tao Caire ho fanoherana ny famonoana mpitolona, ary niantso ho an'ny fiongananan'ny fitondràna Siriana entin'i Bashar Al Assad. Nihirahira ho firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana Siriana ny mpitolona ary nivavaka ihany koa ho an'ireo namoy ny ainy nandritra ny tolona.
India: Fanehoana Fanohanana ny Fiarahamonin'ny “Gay” Taorian'ny Fampisehoana Lahatsary
Voaporofo tany Raipur ny herin'ny lahatsarin'ny olom-pirenena hampirisihana ny fanovàna. Ny fampisehoana lahatsary iray mampiseho ny fahasarotana iainan'ny vondrom-piarahamonin'ny "gay" dia nahafahan'ireo mpijery avy amin'ny sehatra samihafa niresaka momba ny fanavakavahana sy naneho ny fanohanany tamin'ny fikarakarana hetsika am-pilaminana.
Filipina: Mpanolotra Fahitalavitra Voahendrikendrika Ho Mampiasa Zaza Tsy Ampy Taona
Ireo mpampiasa aterineto any Filipina dia mitaky ny manam-pahefana hanenjika izay eritreretin-dry zareo ho fampiasana zaza tsy ampy taona amin'ny fijerena mivantana fahitalavitra, nahitàna zazalahy namporisihan'ny mpanolotra fandaharana hanao dihy mahamenatra.
Fanenjehana mpitoraka blaogy liberaly jiosy
Richard Silverstein, jiosy liberaly iray mpitoraka bilaogy, no iharan'ny fanenjehan'ny elatra havanana mahery fihetsika avy amin'ny nationaliste sy ara-pivavahana. Tao amin'ny bilaoginy Tikun Olam, namoaka filazana iray i Silverstein izay nalefa...
Taiwan: Antso mba hanopaza-maso ny politikan'ny angovo
Nampitahotra ny vahoakan'i Taiwan ny tranga niseho tany amin'ny toby nokleary any Fukushima any Japana, momba ny fiarovana ny toby nokleary any amin'ny fireneny. Mba hamadihana ny olana misy amin'izao fotoana ho politika maharitra ho an'ny governemanta, mpampiasa aterineto maro no nangataka ny governemanta Taiwanais mba hamerina handinika tsara ny politikam-pirenena momba ny angovo sy ny orinasa.