Frantsa: Filaharam-pireharehana Toniziana tany Parisy

Taorian'ny herinandro maro nisian'ny fisahotahan'ny vahoaka, sy 24 ora nampihorohoro raha nitsoaka an'i Tonizia hangataka fiarovana any Arabia Saodita ny filoha teo aloha Ben Ali nandritra ny famindràm-pahefàna maimaika, nandray ny fahefàna ny praiministra, ary afaka ora vitsivitsy monja dia nasolo ny filohan'ny Antenimiera Toniziana, ary miaraka amin'ny fifidianana izay eritreretina hotontosaina afaka roa volana, nilahatra an-dalambe ny Toniziana 600000 ao amin'ny diaspora any Frantsa, ny asabotsy 15e. Na eo aza ny ahiahiny momba ny herisetra tsy miato any Tonizia, ny havany ary ny hoavy, dia nampanantena tena izy ireo fa indray andro any dia hifaly, hankalaza ary hizara fihetseham-po mahafinaritra iraisana. Indreto misy sary vitsivitsy  tamin'ny “andro iray taoriana”, fireharehàna Toniziana any Parisy.

"Misaotra anao, (Mohamed) Bouazizi !" Haja ho an'ny mpivarotra voakazo tany Sidi Bouzid izay nano sorona ny ainy

"Tiako ianao, ry vahoakako"

Tonizia madio – Mbay tàny ry RCD (antokon'i Ben Ali)

Fanontaniana: "Tsy manan-tsiny ve ny Tandrefana?" "1881-1956: fanjanahantany 1956- 2011: tsindrihazolena 2011-…: ?

"aza adino i Boazizi maritiora sy ireo maritiora Toniziana rehetra"

Ela velona i Tonizia afaka

15 Janoary 2011: andro ho tsarovana mandrakizay


Afisy maimaika, hanoratan'ny Toniziana iray hoe: “Ny fanirian'ny vahoaka”

Maro ireo mpamaky Toniziana sy Frantsay no hahatsiahy ny resaka androany tao amin'ny gazety Frantsya mpivoaka isan'andro  “Libération” izay mibango izay rehetra izay amin'ny teny tokana: Fahafahana.

Ao amin'ireo fanehoan-kevitra mitobatobaka miarahaba ireo Toniziana, hafatra iray ho an'ny Toniziana rehetra, avy amin'i Adrien94, ao amin'ny vohikalan'ny France 24:

Merci pour cette leçon, peuple tunisien
Vous nous avez monté ce qu'est le courage.
Vous nous avez montré qu'on peut se battre pour une idée même quand tout semble verrouillé par un groupe.
Et vous ne l'avez pas fait au nom d'un dieu ou d'un autre futur despote. vous l'avez fait parce que c'était JUSTE.

A l'heure où la coupe du monde devient le seul moyen de faire vibrer mon peuple, vous nous rappeler le vrai sens des choses.

Je vous souhaite d'éviter les périodes sombres qui suivent parfoir les révolutions.
Mais je crois en vous, car votre révolution est exemplaire!

Vive la Tunisie et vive la démocratie

Misaotra tamin'iny lesona iny, ry vahoaka toniziana
Nasehonareo anay ny dikan'ny herim-po. Nasehonareo anay fa afaka mitolona ho an'ny hevitra iray, na dia toa voafehin'ny vondrona iray aza ny zava-drehetra. Ary tsy tamin'ny anaran'ny andriamanitra iray no nanaovanareo izany na fijaliana iray hafa ho avy. Ho an'ny FAHAMARINANA no nanaovanao izany.
Amin'ny fotoana izay tsy misy afa-tsy ny Fiadiana Tompon-dakan'ny baolina kitra eran-tany ihany no afaka manaitaitra ny vahoakako (Frantsay), ampahitsiahivinareo anay ny tena hevitry ny zava-drehetra.
Manantena aho fa hosorohanareo ny fotoan-tsarotra izay manaraka matetika ny revolisiona. Ary mahatoky anareo aho, satria ohatra mipetraka ny revolisioninareo.
Ho ela velonaanie tonizia sy ny demokrasia

* Ny mpanoratra ny lahatsoratra no naka ny sary rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.