Candy · Avrily, 2013

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Avrily, 2013

Ny Anganom-pitiavana Sy Ny Vetaveta Avy Ao Angola

  21 Avrily 2013

Tanora Angole mpitoraka bilaogy sady "mpampita vaovao" monina any Loandà i Rosie Alves, 21 taona, avy ao Loanda, manoratra tantara fohy izay mazàna miresaka ny fitiavana sy ny finamànana akaiky ao amin'ny bilaoginy "Sweet Cliché". Zarainy amin'ny Global Voices ny aingam-panahiny sy ny hetahetany, ilazany amintsika misimisy kokoa mikasika ny andian-taranaka misy azy sy ny tontolon'ny bilaogy Angole tsy mitsaha-mitombo.

Mpanao Politika Filipiana Mifandray Aminà Kaonty Any Ivelany

  20 Avrily 2013

Ny Ivontoerana Filipiana ho an'ny Fanaovana Fanadihadiana an-Gazety (PCIJ) dia nitatitra fa mponina Filipiana 500, anisan'izany ireo mpanao politika matanjaka sasany, no anatin'ireo nitazona kaonty any ivelany taorian'ny nandraisany anjara taminà tetikasa fiaraha-miasa manerantany izay nandinika ireo antontan-taratasy nivoaka an-tsokosoko momba ny orinasa sy vondron'orinasa maherin'ny 120 000 any ivelany.

Topimaso Mivantana Tsy Fahita Firy Amin'ny Indostrian-damaody Pakistane Vao Mivoatra

  17 Avrily 2013

Raha tsy dia mahaliana ny firenen-kafa izany, manana anjara toerana lehibe kosa ny lamaody amin'ny fiainana Pakistane. Halefa mivantana amin'ny aterineto ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistàna ny 9-10 Aprily, avy any Karachi ka hitondra endrika vaovao amin'ny indostria vao misandratra sy efa matianina izay mampiseho fa tsy henjana na mpiaro ny nentin-drazana araka ny eritreretin'ny maro ireo fepetra ara-kolotsaina any Pakistana..

28 000 Ireo Renirano Nanjavona Tamin'ny Sarintany Sinoa

  08 Avrily 2013

Araka ny angona nataon'ny governemanta momba ny rano, dia miisa 28 000 eo ho eo ireo renirano nanjavona tany Sina. Nilaza ny manam-pahaizana malaza iray momba ny tontolo iainana fa noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ny renirano sy ireo tetikasa "hydroélectrique" goavana no mahatonga izany faharitràna izany.