Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Candy · Marsa, 2012

Currently doing multimedia studies, and translator for Global Voices Lingua Malagasy.
You can read her Malagasy blog here or her English blog here

imailaka Candy

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Marsa, 2012

31 Marsa 2012

Iràka: Zaikabe Voalohany Niarahan'ireo Bilaogera Irakiana

Rising Voices

Ny zaikabe voalohan'ireo bilaogera Irakiana dia nanomboka ny 8-9 ny Febroary tao an-tanànan'i Sulaymaniyah. Ny Fampahalalam-baovao Sosialy Irakiana no nikarakara ity hetsika ity ary maherin'ny 70 ny bilaogera Irakiana manerana ny firenena no nanatrika. Nitondra fanantenana betsaka ity zaikabe ity ho an'ny firenena manana taham-pidirana aterineto ambany dia ambany sy...

Fifaninanana Lahatsary: “Everyday Digital Native” – Alefaso Ny Safidinao Dieny Izao

Rising Voices

Ireo mpitsara ny "Everyday Digital Native video contest" izay nokarakarain'ny Centre for Internet & Society (CIS), India, ary ny HIVOS dia nisafidy lahatsary miisa 12 tamin'ny fihodinana faharoa. Azonao atao ny mijery ireo lahatsary tafakatra tamin'ny dingana famaranana ary mifidy ny iray izay tena ankafizinao hatramin'ny 31 Martsa 2012. Ny...

25 Marsa 2012

Bengladesh: Ny Dia Lavitra Natao Tamin'ny Fakanà Sary Niaraka Tamin'ny Bilaogera Fanta-daza GMB Akash

Ato amin'ity antontan-kevitra manaraka ity dia hampahafantarinay anao ny mpaka sary iray, GMB Akash, izay manana photoblog feno tantara mampalahelo, fijaliana, hafaliana sy fanantenan'ny olon-tsotra ao Bengladesh. Nanaitra ny sehatra iraisam-pirenena ny fanehoany an'i Bengladesh tamin'ny endriny maro

21 Marsa 2012

Greencore: Fanasongadinana Ny Feon'ireo Mongôla Momba Ny Fahasimban'ny Tontolo Iainana

Rising Voices

Ny Greencore.org dia ONG iray avy ao Mongolia izay nitarika ny fanadihadiana tao Matad ao Dornod Aimag teo anelanelan'ny Aprily ka hatramin'ny Oktobra 2011. Ity tetikasa ity dia nitaona ny olona tao an-toerana izay nandray anjara mba hameno ny CRC (Citizen Report Cards, Tatitra an-tSarintany avy amin'ny Olom-pirenena) misy fanontaniana...

16 Marsa 2012

Maraoka: Namono Tena Ilay Zaza Tsy Ampy Taona Noterena Hanambady Ny Lehilahy Nanolana Azy

Amina, vehivavy 16 taona avy any Larache any Avaratr'i Maraoka, noterena hanambady ilay nanolana azy, dia namono tena tamin'ny fisotroana poizim-boalavo tamin'ny Sabotsy lasa teo. Araka ny voalazan'ny al-Masa'a [Ar], Amina dia naolan'ny lehilahy zokony 10 taona, raha vao 15 taona monja izy. Ary mba hitandrovana ilay antsoina hoe "voninahitry...

14 Marsa 2012

Ny Fihiràna Ny Hiram-pirenena Amin'ny Fiteniny Manokana

Rising Voices

Amin'ny lahatsoratra faharoa manasongadina ireo lahatsary avy amin'olom-pirenena mampiseho ny hiram-pirenena hiraina amin'ny teny zara raha fantatra na tsy be mpampiasa, tsikaritra fa any amin'ny firenena maro dia voararan'ny lalàna ny fihiràna ny hiram-pirenena amin'ny teny ankoatran'ny tenim-pirenena ofisialy. Na izany aza dia tsy voasakana ireo olon-tsotra hampiasa ny fampielezam-baovaon'olontsotra...

Rosia: Firaisana ara-nofo, Vehivavy, Putin ary ny Lahatsary

Akon'ny RuNet

Toa nanjavona ireo tovovavy niantso sy nanentana mba hiboridana ho an'i Putin tamin'ny fahavaratra lasa teo. Koa satria efa hifarana ny fotoam-pifidianana any Rosia, ndeha asiana topi-maso kely ny fomba nivoaran'izany fihetsiketsehana izany, sy ny fomba nampirisihany ireo vehivavy hafa - na manohitra an'i Putin na momba azy - hanana...

08 Marsa 2012

Korea Atsimo: Miala Amin'ny Asany Ireo Mpanao Gazety Maro Avy Amin'ny Fahitalavi-panjakàna Iray

Ireo mpanao gazetin'ny iray amin'ireo tambajotram-pahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Korea Atsimo, ny Munhwa Broadcasting Corporation (MBC) dia mitokona mandritra ny fotoana tsy voafaritra efa nanomboka tamin'ny volana Janoary 2012, mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety tsy misy ambadika politika. Tamin'ny 4 Martsa 2012, mpanao gazety 166 no nanambara fa hiala...

04 Marsa 2012

Sina sy Hong Kong: Raikitra Ny Adin'ny Mpiray Sisintany Tao Anaty Fiarandàlamby

Mpandeha iray no nifamaly tamin'ny mpizaha tany Sinoa avy any amin'ny tanibe izay nihinan-kanina tao anaty fiarandalamby tao Hong Kong, Izany no adin'ny mpiray sisintany nisy farany teo amin'ny Sina sy Hong Kong, teo amin'ny fifaneraseran'i Beijing amin'ny Hong Kong.

03 Marsa 2012

Ny Vondrom-piarahamonina Eny Anivon'ny Aterineto Ao Costa Rica Dia Mirotsaka Hiady Amin'ny SOPA Sy Ny Sivana

Taorian'ny fitokonana virtoaly niadiana tamin'ny Stop Online Piracy Act (SOPA) tany Etazonia ary ny fikatonan'ny Megaupload nanaraka izay, izay tranokala fizaràna failo, ny vondrom-piarahamonina eny anivon'ny aterineto ao Costa Rica dia tsy mijanona teny ivelan'ny sehatry ny ady amin'ny fanivànana ny aterineto intsony.