Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Febroary, 2011
Yemen: tonga amin'ny mangotrakotraka? (Video)
Ny Filohan'i Yemen, Saleh dia nanomboka nandefitra tamin'ireo mpanohitra, tamin'ny fanomezana baiko ireo hery fiarovana ny mba hiarovana ny mpitolona. Nefa toa tsy vonona ny handray izany teniny izany ny ankamaroan'ny olona. Mandritra izany, mitohy ireo tolona goavana manohitra ny fitondràna. Mety ho voatsapa ny fahatsaram-panahin'ny governemanta amin'ny diabe nomanin'ny mpiaro ny fitondràna any amin'ny renivohitry ny firenena amin'ny Zoma.
Bahrain: Fanambarana ofisialy ny Andro Fisaonana
Androany no manamarika ny andro faha-10 amin'ny tolona Andron'ny Hatezerana any Bahrain. Rahampitso no manamarika ny andro fisaonana ho an'ireo izay namoy ny ainy tamin'ireo mpitandro filaminana sy miaramila nanafika ny mpitolona.
Bahrain: Fitifirana ireo mpitolona amin'ny bala tena izy (Video)
Nitobatobaka manerana ny vohikalan'ireo media sosialy ireo tatitra fitifirana tany amin'ny faritra maro tany Manama, renivohitr'i Bahrain nandritra ny 18 Febroary 2011 tolak'andro. Ireo Video nalaina tany amin'ny faritra samihafa dia tsy vitan'ny sady mampiseho ny fotoana nisy ny fitifirana, fa koa ireo nijaly noho izany taoriana (FAMPITANDREMANA: sary mahery).
Iran: Tandindonin-doza i Hossein Ronaghi, mpitoraka bilaogy voafonja
Ilay mpitoraka blaogy Iraniana Hossein Ronaghi Malki dia manefa sazy 15 taona an-tranomaizina any amin'ny trano tsara aron'ny Fonjan'ny Evin, tsy mahazo mifandray amin'ny fianakaviany na ny mpisolo vava azy. Mojtaba Samienejad, mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady sekreteran'ny Trano Misahana ny Zon'olombelona any Iran, dia nilaza tamin'ny BBC Persiana fa mila fandidiana maika i Ronaghi ary efa ahiana mafy ny toe-pahasalamany.
Voasambotra tamin'ny maraina teo ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair

Nitatitra ireo namana akaikin'ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair fa nosamborina tamin'ny 5ora maraina teo tany an-toerana izy raha avy any amin'ny tanàna Banias hiverina ho any Damaskaosy. Araka ny nambara dia nalain'ireo mpitandro filaminana ihany koa ireo solosainany manokana. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy fantatra na ny toerana misy azy na ny antony nisamborana azy.
Tanzania: Maneho hevitra momba ny fipoahana baomba tany amin'ny toby miaramila ny mpampiasa aterineto
Olona 30 fara-fahakeliny no maty tamin'ny fipoahana baomba maromaro taorian'ny loza tamin'ny Alakamisy vao mangiran-dratsy tany amin'ny toby miaramilan'ny Gongo la Mboto any Dar es Salaam, Tanzania. 22 fara-fahakeliny ny olona maty tamin'ny 2009 taorian'ny fipoahana baomba mahatsiravina tany amin'ny toerana fametrahana ny fitaovam-piadiana tany amin'ny toby miaramila any Mbagala any Dar es Salaam. Ity dia fanatsongàna fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny blaogy sy twitter.
Ejipta: Wael Ghonim navotsotra?
Fanampim-baovao:Naheno tsaho maro mifanohitra izahay momba ity tantara ity any an-toerana ary miandry porofo bebe kokoa manamarina fa navotsotra i Ghonim. Navotsotra androany i Wael Ghonim, mafana fo Ejiptiana amin'ny aterineto sady mpiasan'ny Google, noho ireo Ejiptiana mbola manohy mangataka ny fifaranan'ny fitondràn'i Mubarak. Notendren'ireo mpitolona ao amin'ny Kianja Tahrir ho mpitondra tenin-dry zareo i Ghonim, mba hanerena ny governemanta hamotsotra azy.
Ejipta: Novain'i Mubarak ho “manahirana” ny toetoetry ny fifandraisany amin'ny Facebook
Mafana fo Ejiptiana sy teratany Tandrefana hafa koa no nampiasa ny fitenin'ny media sosialy hanaovana hatsikana mba hitantarana ny zava-nisy araka ny nitrangàny. Mitosatosaka koa ireo kaonty hosoka ho an'i Mubarak, ary nitazona ny moraly ho ambony ireo hosoka ireo tamin'ny tenifototra #jan25 Twitter, na tamin'ireo fotoana maizina nisian'ireo fifandonana tamin'ny Alakamisy sy Zoma aza. Mandinika izany akaiky i Carmel L Vaisman.
Siria: Tsy misy seho ho an'ny ‘Andron'ny Fahatezerana’
Tsy mitsaha-mitombo ny resa-be avy amin'ireo media iraisam-pirenena izay milaza fa mety ho i Siria ny manaraka amin'ny fipariahan'ny korontana avy any Ejipta sy Tonizia. Mijery ireo tweets i Betsy Fisher mba hahafantarana izay laizain'ireo Siriana.
Ejipta: Fitohitohizan'ny fahatapahan'ny fifandraisana nandritra ny fihetsiketsehana 2011

25 Janoary 2011 no andro nidinan'ny vahoaka ejiptiana an-dàlam-be, tonga avy amin'ny faritra maro hanao fihetsiketsehana manohitra ny filoha Mubarak sy ny fitondràna eo an-toerana. Nafana ny fampiasan'ireo mafana fo...