Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Novambra, 2009
USA: Mampivoitra manokana ireo Silamo ao amin'ny tafika ilay vono-olona tao Fort Hood
Nahatonga ireo Silamo any Amerika ho eo ambanin'ny jirobe mpanazava indray, indrindra fa ireo ao anatin'ny tafika ilay Tifitra variraraka iray nataon'i Nidal Malik Hasan, manamboninahitry ny tafika Amerikana, nahafatesana 13 sy naharatrana 31 tao Fort hood, Texas.
Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”
Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.
Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges
Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?
Sina: Ranomandry vita sinoa
Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia...
Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao
Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana – maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay “forum” goavana Hatsugen...