Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Aogositra, 2011
Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Fihetsiketsehana Tany Tripoli
Raha ampitahaina tamin'ny volana Aprily 2011, rehefa nandinika voalohany ny fihetsika Rosiana tamin'ilay disadisa ny Global Voices, hita mizara kokoa ny hevitra ankehitriny; nizara ho vondrona roa miavaka, mpanohana sy mpanohitra an'i Kolonely Kaddhafi, ireo mpitoraka blaogy. Manadihady i Alexey Sidorenko.
Alavoly Mahatsikaiky Miaraka Amin'ny mèmes Tenifototra Japoney
Nanomboka tamin'ny nanomezan'i Twitter ny fahafahana manao tenifototra Japoney, lasa mitobatobaka ny kilalaon-teny amin'ny tontolon'ny Twitter Japoney.
Siria: Famoriam-bahoaka Any Amin'ny Tanàn-dehibe Maneran-tany, Manohitra Na Momba An'i Bashar
Heno maneran-tany ny momba ireo hetsika any Siria. Nivory tany amin'ny ankabeazan'ireo tanàn-dehibe maneran-tany ireo Siriana anaty fikambanan'ny zanaka am-pielezana, na mitaky ny fionganan'i Bashar Al Assad sy ny fitondràna izany, na mihirahira ny fitiavany azy. Jereo ity fanangonana lahatsary ity mampiseho ireo fihetsiketsehana maneran-tany.
Maneran-tany: Zarao Amin'izao Tontolo Izao ny Fiainanao Ny 11-11-11
Inona no hataonao amin'ny 11 Novambra 2011? Zarao amin'izao tontolo izao izany amin'ny alalan'ny 11Eleven Project ary manampia amin'ny fanatontosana ireo Tanjon'ny Firenena Mikambana ho Fampivoarana ny Taonarivo!
Indonezia: Manavao Ny Tetika Hifehezana Ireo Media Sosialy Ny Minisitra
Tifatul Sembiring, Ministry ny IT sy ny Fifandraisana any Indonezia, izay tsy dia ankasitrahan'ny olona loatra, dia nilaza fa tokony ho matotra ny fifehezana ny vohikala media sosialy tahaka ny Twitter sy Facebook satria azo ampiasaina hanakorontanam-panjakàna. Niteraka resa-be ny fanambaràny, indrindra teo anivon'ireo mpampiasa aterineto.
Arzantina: La Flecha Miara-Miasa Amin'ny Tanora Amin'ny Alalan'ny Fampielezam-Baovaon'Olon-tsotra
La Flecha [es] (Ilay Tsilo) dia fikambanana mitoby any an-tanànan'i Buenos Aires (Arzantina) izay miara-miasa amin'ireo tanora any amin'ny sekolim-panjakàna any an-tanàna hampianarana azy ireo ny fomba hamoronany ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra mba hanombohan-dry zareo sy ny hitaizàny ny adihevitra momba ireo olana hita amin'ny fiainanany andavan'andro.