Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Janoary, 2012
Okraina: Ny “Photo Art” Dia Manampy Amin'ny Ady Atao Amin'ny SIDA
Tamin'ny fotoana nankalazàna ny Andro Eran-tany Ho An'ny SIDA (Novambra –Desambra, 2011) dia nisy fampirantiana ny sary avy tamin'ny tetikasa “AIDS- Open Faces” natao tao amin'ny tranoheva ‘Lavra’ tao Kiev. Ny fampirantiana dia natokana manontolo ho an'ireo olona mitondra ny VIH/SIDA ary nokarakarain'ny Elena Pinchuk AINTIAIDS Foundation. fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana. Ny sarin'ireo olona mitondra ny VIH sy ny fianakavian'izy ireo izay naseho tamin'ny fampirantiana dia nalain'i Brent Stirton mpaka sary fanta-daza avy ao amin'ny masoivoho ‘Getty Images’ avy any New York.
Fitaovam-pifaneraseràna: Ny Fitendry Virtoaly & Ny “Translittération”
Eritrereto hoe manoratra "script" tsy nifototra amin'ny teny Latina ianao ary miraikitra eo amin'ny trano kely iray ahafahana mampiasa aterineto amina seranam-piaramanidina any ivelany, sady miezaka ny maka sary an-tsaina ny fomba handefasana hafatra amin'ny fiteninao. Mety ny PC ampiasainao mihitsy no manana karazana fitendry hafa nohon'ny "qwerty" ary tsy misy fitarihana amin'ny fiteny maro ao amin'ny OS. Misy fitaovana maromaro ampiasaina amin'ny aterineto izay afaka hamonjy anao.
REPACTED: Manao Jeritodika Ary Maka Lesona Avy Amin'ny Lasa
Ny mpisitraka ny famatsiam-bolan'ny Rising Voices, REPACTED, teo aloha dia nanofana ireo Kenyana nafindra toerana (nandritry ny herisetra tamin'ny fifidianana ny taona 2007) mipetraka an-toby ny fomba hilazàny ny tantarany manokana ao amin'ny aterineto ka amin'izany dia tsy nohadinoina ny zava-tsarotra niainan'izy ireo.Hisy ny fifidianana manaraka ao Kenya amin'ity taona ity. Ny fitoniana ara-politika dia hanamafy ny fisondrotana mihozohozon'i Kenya. Ny REPACTED (Rapid Effective Participatory Action in community Theater Education and Development) ankehitriny dia miasa mba hahatonga ny Kenyana haka lesona avy amin'ny lasa sy tsy hamerina intsony ny hadisoana vita.
Rosia: Hetsi-panoherana Faobe Tany Amin'ireo Masoivoho Rosiana Ho Fanamarihana Ny Andro Eran-tany Natokana Ho An'ny SIDA
Vao tsy ela akory ireo mafana fo avy ao amin'ny " Association of Substitution Treatment Advocates of Ukraine (ASTAU)" no nandefa ny famintinana fohy ny hetsika farany indrindra nanamarihana ny Andro Eran-tany Natokana Ho An'ny SIDA manerana izao tontolo izao. Ny tena nisongadina indrindra tamin'ireo fandalinana dia ny fifamoriana niaraka tany amin'ireo Masoivoho Rosiana maneran-tany ho fanoherana ny fomba fitondra feno herisetra sy habibiaba atao amin'ny olona miaina miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina ao Rosia.
Okraina: Miditra Amin'ny Fanangonam-bola sy Fanentanana Amin'ny Alàlan'ny Aterineto
Ny Elena Pinchuk AINTIAIDS Foundation ao Okraina dia nitondra hevitra feno famoronana mba hanentanana ny fahatsapan-tenan'ny fiaraha-monina Okrainiana amin'ny raharaha mikasika ny VIH/SIDA, toy ny fampitomboana ny fanampiana ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA. Ireto hetsika fanasoavana feno famoronana ireto dia tena mifototra amin'ny aterineto ary misy fiaraha-miombon'antoka amin'ny sampan-draharaha Okrainiana mampiasa ny tambajotra ara-tsosialy mba hanairana olona maro.