Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Jona, 2010
Singapore: Manamafy ny fepetra miady amin'ny fanariana fako eny an-dalambe ny governemanta
Na dia misy aza ireo lalàna henjana mandràra ny fanariana fako eny an-dàlana any Singapore, mbola miakatra ihany ny isan'ireo mpandoto nandritra ireo taona vitsivitsy farany teo, ka nanery ny governemanta any Singapore hanamafy ny fanentanana amin'ny tsy fanariana fako eny an-dalambe. Hisy fanentanana ho fanomezana henatra mahery vaika kokoa hatao ary hisy ireo “Masoivohon'ny fahadiovana” hofanina. Maneho hevitra ny mpitoraka blaogy
Maraoka: Ny fanandràmana ny henné
Efa an'arivontaona maro no nisy n y henné. Mba nanandrana izany voalohany indrindra tany Maraoka i Emily, mpirotsaka antsitrapo avy amin'ny Peace Corps vao tsy ela akory izay. Entin'i Jillian C York amintsika ny tontolo andron'i Emily.
Kolombia: manavotra takalon'aina 4 nalain'ny FARC an-keriny tamin'ny 1998 ny Tafika
Tamin'ny alahady 13 Jona tamin'ny mitataovovonana, raha niomana ny hijery ny lalao fiadiana tompon-daka erantany amin'ny baolina kitra ifanandrinan'i Alemana sy Aostralia ny ankamaroan'ireo Kolombiana, nivoaka ny vaovao: minitra vitsy...
50 taona taty aoriana, fahaleovantena sy ozon'ny harena voajanaharin'ireo tany Afrikana mampiasa ny teny frantsay
Mankalaza ny faha 50 taona nahazoana ny fahaleovantenany ny tany Afrikana mampiasa ny teny frantsay amin’ity taona 2010 ity. Ho fanamarihaa io fitsingerenana io dia nisy fihaonan’ny Afrika-Frantsa tany Nice,...
Kenya: Maneho hevitra momba ny fanapoahana baomba tany amin'ny kianjan'i Uhuru ireo mpitoraka blaogy
Olona enina no maty ary 75 no naratra tamin'ilay fipoahana nandritra ny hetsika ara-politika tany Nairobi tamin'ny Alahady. Nokarakarain'ny vondrona “Tsia” io hetsika io, izay manohitra ny fampihàrana ny lalampanorenana...
Korea Atsimo sy Avaratra: Tankina noho ny Mondial ny fifampihenjanana
Somary nihanalefaka kely ny fifankahalàna nisy teo amin'ireo Korea roa tonta izay tsy nitsaha-nisondrotra nanomboka tamin'ny faharendrehan'ny sambo mpiady iray an'ny Korea Atsimo noho ny tifitra nolazaina fa avy amin'i...
Holandy: Vehivavy roa nosamborina tany amin'ny Mondial fa manao dokambarotra labiera tsy ara-dalàna
Vehivavy Holandey roa miasa any amina orinasa mpamokatra labiera Bavaria any Pays-Bas no nosamborina noho ny fanaovana dokambarotra ho ana labiera izay tsy mpanohana ofisialy ny Fiadiana ny Tompondaka erantany...
Palestina: “Matahotra ranomasina aho”
Ho fihetsehana amin'ny “raid” tamin'ny Flotilla-mpahafahan'i Gaza tamin'ny 31 May, nanoratra lahatsoratra miendrika kanto ilay mpitoraka blaogy Gaza Kawther Abu Hani miainga amin'ny fomba fijerina ankizy, mitondra ny lohateny hoe...
Japana: Ireny elo “vinyl” mahazatra ireny
Zavatra mahafinaritra ny elo Japoney nentin-drazana na wagasa, vita amin'ny bararata sy taratasy Japoney. Saingy ny elo mahazatra indrindra, dia ity iray mora vidy, tantera-pahazavàna, vita amin'ny plastika sy “vinyl”...
Bangladesh: Facebook nosakanana vonjimaika
Bangladesh izao no firenena faharoa any Azia aorian'i Pakistan manakana ny Facebook iray manontolo tao ho ao. Tamin'ny Zoma 28 May 2010 nanodidina ny tamin'ny 8:30 dia natao ny fanakànana...