Candy · Marsa, 2011

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Marsa, 2011

Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro...

25 Marsa 2011

Meksika: Miteraka fisahotahana ny mety ho fanasivanana fanadihadiana

Ny mpitsara Meksikana iray dia nibaiko ireo teatra hampiato mandritra ny fotoana voafetra ny fandefasana ilay fanadihadiana Meksikana malaza Presunto Culpable [es] (Voalaza fa Meloka). Ny mpanatontosa ilay horonantsary, tao aminà fanambarana navoaka tao amin'ny vohikalany [es], dia manambara fa ho tohizana ny fandefasana ny fanadihadiana raha tsy maharay didy avy amin'ny governemanta na ny fitsarana ry zareo. Miadihevitra mavitrika momba izany ny tontolon'ny blaogy Meksikana, ary mifantoka indrindra amin'ny fanivànana sy fahalalahana maneho hevitra.

06 Marsa 2011

Bahrain: Diabe Roa Samihafa Ho an'ny Firaisam-pirenena

Nitohy ny tolona am-pilaminana tany Bahrain tamin'ny Talata raha nikarakara fihaonamben'ny Firaisam-pirenena ny fito tamin'ireo vondrona mpanohitra goavana, manomboka any Salmaniya sy ny faritr'i Seef mankany amin'ny Fiodinana Pearl (Lulu). Amin'ny Alarobia, hisy fihaonambe iray hafa hokarakarain'ny vondrona antsoina hoe Fihaonamben'ny Firaisam-pirenena, miaraka amin'ny ny fangatahany manokana.

06 Marsa 2011

Mifamory mba hankalaza ny fahazoana miditra aterineto any Kambodza

Nisy Andron'ny Zavona nokarakaraina tany Phnom Penh any Cambodia hankalazana ny fahafahana miditra amin'ny aterineto any Cambodia. Na dia hetsika tsy ara-politika aza ity dia manara-maso ny fihetsiky ny governemanta ireo mpampiasa aterineto, noho izy miahiahy ny hetsika karakaraina amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy.

05 Marsa 2011