Candy · Desambra, 2011

Lahatsoratra farany an'i Candy tamin'ny Desambra, 2011

Ny Fihiràna Ny Hiram-pirenena Amin'ny Fiteniny Manokana

Rising Voices  31 Desambra 2011

Any amin'ny toerana iray ianao dia mety hahita ireo dikany hafa amin'ny alalan'ny lahatsarin'ny haino aman-jerim-pirenena izay nalefa tao amin'ny YouTube. Raha tsaraina avy amin'ny tsikera tao amin'ireo lahatsary ireo, ireo lahatsary dia fahatsapàna rehareha ho an'ireo mpiteny ireo fiteny ireo mba hanandratana avo ny voninahi-pireneny amin'ny alalan'ny fiteniny manokana.

Okraina: Mampiasa Lahatsary Hisoloana Vava

Rising Voices  31 Desambra 2011

Koa satria ny ampahany amin'ny ezak'ireo mpiaro dia nikendry ny hamaha ny olana amin'ny fitohizana ny fitsaboana ORT, ireo Okrainiana mafàna fo miady ho fampihenàna ny fiantraikany ratsy dia namokatra lahatsary izay mampiseho amin'ny antsipirihany ny raharaha manodidina ity olana ity, milaza ny tantaran'ireo olona mijaly noho ny tsy fihetsehan'ireo manam-pahefàna amin'ny fitsaboana sy mitatitra mikasika ireo fahombiazana kely tamin'ity fandraisany anjara ity.

Bolivia: Ny Hetsika Ankalamanjàna “Fiaraha-mientan'ny Conectándonos”

Rising Voices  27 Desambra 2011

Ny fiaraha-mientan'ny "Conectándonos" [es] (Connecting) tao Cochabamba, Bolivia izay natao tamin'ny 12-14 Desambra, dia nitondra mpitarika vaovao liana amin'ny fikatsahana fomba hampandraisana anjara ny fampiasàna ny haino aman-jerin'olon-tsotra sy ny fananganana tambajotra amin'ny fiovàn'ny ara-tsosialy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy ireo. Famintinana fohifohy mikasika ny hetsika ho an'ny daholobe natao ny 13 desambra ity.