Tantara mikasika ny Mozambika
Mihetsika manivana ny vaovao mivoaka amin'ny Twitter momba ilay fanafihana tao Cabo Delgado ry zareo Môzambikàna
Mihetsika ireo mpampiasa aterineto mba hizara vaovao sy lahatsary momba ny herisetra mianjady amin'ny faritanin'i Cabo Delgado, toerana anjakan'ireo vondrona mitam-piadiana hatramin'ny 2017.
Nofoanan'i Mozambika ny didy hitsivolana amin'ny fampandoavana hetra mihoampampana ho an'ny mpanao gazety
Manodidina ny 30 ka hatramin'ny 500.000 meticais ny saram-bidiny (manodidina ny 507 sy 8.450 dolara amerikana) ary takiana ho an'ireo mpitati-baovao avy any ivelany sy ny vahiny ary ny mpanao gazety mahaleotena izay miasa any Mozambika.
Lahatsary vaovao ahitàna taratra ny anton'ireo fanafihana any avaratr'i Môzambika
Noraketina an-tsary avy tao amin'ny vohitr'i Ntchinga, asehon'ilay lahatsary ireo mpanafika milanja ny sainan'ny fanjakana islamika ary ny mpitarika iray miresaka amin'ny mponina ao an-toerana amin'ny fiteny Kimwan sy Kiswahili, mitangorona toy ny manatrika famoriana vahoaka.
Nanome tolotra aterineto mora ny orinasan'ny finday ao Mozambika sy Cap Vert mba hanentanana ny olona hijanona ao an-trano
Afaka hampiasa angondrakitra 2 MB maimaimpoana mandritra ny 30 andro manaraka ireo mpiseran'ny finday Cap Verdeana raha afaka mividy hatramin'ny 5 GB amin'ny sarany 1.50 dolara kosa ny Mozambikana.
Naato ny fantson'ilay YouTuber Mozambikana rehefa avy nalaina an-keriny sy norahonana izy
Nalaina an-keriny nandritra ny 24 ora izy tany ampiandohan'ny volana Febroary talohan'ny namotsoran'ny polisy azy. Ahiana ho nanome baiko ny fakana an-keriny ilay nitonon-tena ho mpaminany antsoina hoe Joe Williams.
Miomana amin'ny fahatongavan'ny valanaretina i Mozambika na dia tsy mbola nisy aza ny tranga COVID-19 voamarina
Tsy mbola nanakatona ny sisintaniny i Mozambika saingy nametraka fihibohana mandritra ny 14 andro ho an'ireo olona tonga avy any amin'ny firenena misy ny valan'aretina ary nandrara ny fivorian'olona mihoatra ny 300.
Mitombo noho ny fanaovana tatitry ny ady any avaratr'i Mozambika ny fanafihana ireo mpanao gazety
There has been an alarming increase in the number of threats made against journalists who are covering the armed attacks in the northern province of Cabo Delgado. Mampiahiahy ny fitomboan'ny fanafihana atao amin'ny mpanao gazety izay mitatitra ny fanafihana mitam-piadiana any amin'ny faritany avaratr'i Cabo Delgado.
Môzambika: YouTuber nisy naka an-kery rehefa avy niampanga ‘mpaminany’
Any anatin'ny sasany amin'ireo lahatsariny ao amin'ny YouTube, kianin'i "Beleza em pessoa" ireo Môzambikàna mpaminany
Solombavambahoaka bory tànana, vao voafidy tao Môzambika, hifantoka amin'ny fanabeazana
"Inoako fa ny fisiako ato anatin'ny antenimiera, dia ho afaka handrisika sy ho lasa aingampanahy ho an'olona maro aho amin'ny alàlan'ny zavatra ho ataoko mandritra ny fepotoana hiasàko."
Nitsabaka tamin'ny fifidianana ankapobeny tao Mozambika ve i Rosia?
Nanomboka talohan'ny ny fifidianana tamin'ny famoahan'ny fikambanana antsoina hoe International Anticrisis Center (AIC) ny fitsapan-kevitra tamin'ny 4 Oktobra, izay nanome fandresena mazava ho an'ny Frelimo ny fiahiahiana an'i Rosia.