
Fifidianana tany Mozambika. Saripikan'i Dércio Tsandzana tamin'ny Septambra 2019. Nahazoana alàlana.
Roa volana taorian'ny fifidianana ankapobeny tany Mozambika izay nanome fandresena miezinezina ho an'ny antokon'ny fitondrana,Frelimo, dia miady hevitra ankehitriny ny olom-pirenena raha nisy ireo mpiantsehatra vahiny mety nitsabaka tamin'ny fizotran'ny fifidianana.
Tamin'ny 15 Oktobra, nandatsa-bato nifidy filoham-pirenena, parlemantera ary—sambany—nifidy governoram-paritany ny Mozambikana. Nifidy indray ny filoha ankehitriny Filipe Nyusi ny Frelimo, nahazo ny roatokon'ny sezan'ny mpanao lalàna an-dapatokana ary nifidy ireo governora rehetra. Mbola tsy nanaiky ny vokatra, izay toherin'ny mpanohitra ny Vaomieran'ny Lalàmpanorenana, fitsarana ambony indrindra ao Mozambika.
Tamin'ny 30 Oktobra, nanambara ny fampiatoana ireo kaonty avy any Rosia mikendry ireo firenena Afrikanina marobe, toa an'i Mozambika ny Facebook. Milaza ny orinasa fa nanao “fihetsika tsy mendrika” ireo kaonty ireo ary nifandray tamin'ny mpikirakira vola Rosiana Yevgeniy Prigozhin.
Voampangan'ny mpanolotsaina manokana ao Etazonia, Robert Mueller ho mitantana ”orinasa mpandoto rindrina” izay nitsabaka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2016 tao amin'izany firenena izany i Prigozhin, izay manana fifandraisana akaiky amin'ny filoham-pirenena Rosiana Vladimir Putin. .
Ity no fanambarana nataon'ny Facebook:
Today, we removed 35 Facebook accounts, 53 Pages, seven Groups and five Instagram accounts that originated in Russia and focused on Madagascar, the Central African Republic, Mozambique, Democratic Republic of the Congo, Côte d’Ivoire and Cameroon.
The individuals behind this activity used a combination of fake accounts and authentic accounts of local nationals in Madagascar and Mozambique to manage Pages and Groups, and post their content. They typically posted about global and local political news including topics like Russian policies in Africa, elections in Madagascar and Mozambique, election monitoring by a local non-governmental organization and criticism of French and US policies.
Nanaisotra kaonty Facebook 35, pejy 53, Vondrona fito ary kaonty Instagram dimy izay niforona tany Rosia izahay androany, kaonty izay nifantoka tamin'i Madagasikara, Repoblika Afrika afovoany, Mozambika, Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Côte d'Ivoire ary Kamerona.
Nampiasa kaonty sandoka sy kaonty marina an'ireo olom-pirenena ao Madagasikara sy Mozambika ireo olona tao ambadik'ity hetsika ity mba hitantana Pejy sy Vondrona, ary mametraka ny votoatin'izy ireo. Nandefa indrindra momba ireo vaovao ara-politika eran-tany sy eo an-toerana izy ireo, ao anatin'izany ny lohahevitra toa ny politika Rosianina any Afrika, ny fifidianana any Madagasikara sy Mozambika, ny fanarahamaso ny fifidianana ataon'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ary ny fitsikerana ny politika Frantsay sy Amerikana.
Nilaza ihany koa ny Facebook fa nandany manodidina ny 77000 dolara tamin'ny dokambarotra ireo kaonty sy pejy ireo nanomboka ny Aprily 2018 ka hatramin'ny Oktobra 2019.
Iray amin'ireo pejy Facebook voalaza fa “tsy marina” ny an'ny Association of Free Research and Cooperation (AFRIC). Nandefa olona 60 iraka mpandinika ny fifidianana ho any Mozambika ity fikambanana ity, hoy ny tranonkalany ofisialy.
Mamaritra ny tenany ho “vondron'ireo mpikaroka, manam-pahaizana sy mpikatroka tsy miankina” ilay FTMF=ONG ary milaza fa nanaramaso ny fifidianana tany Madagasikara, RDC, Zimbaboe sy ny Repoblika Afrika Atsimo, ary koa tany Mozambika tao anatin'ny 14 volana.
Milaza ny tantara iray tamin'ny Novambra 2019 avy amin'ny dikanteny Portiogey an'ny Radio France International fa niasa “tsy nisy nahalala tsara ny asan'ireo mpanara-maso ifotony” ny iraka fanarahamaso tany Mozambika avy amin'ny AFRIC, saingy tsy nanonona loharanom-baovao momba izany fanambarana izany.
Ny tatitra nataony momba ny fifidianana Mozambikana dia nidera ny dingana ho “voalamina tsara”, saingy nitanisa tsy fanarahan-dalàna vitsivitsy nandritra ny latsa-bato sy ny fanisam-bato.
Mamerina ny fehin-kevitry ny iraka fanarahamaso hafa ny tatitra. Nahita tsy fanarahan-dalàna maro ny iraky ny vondrona Eoropeana.
Vakio bebe kokoa: Pejy Fitantarana manokana ny fifidianana 2019 tany Mozambika.
Fitsapa-kevitra “hosoka” sy tsy ara-dalàna
Ny fisalasalana momba ny fitsabahan'ny Rosiana dia nanomboka talohan'ny ny fifidianana tamin'ny famoahan'ny fikambanana antsoina hoe International Anticrisis Center (AIC) ny fitsapan-kevitra tamin'ny 4 Oktobra, izay nanome fandresena mazava ho an'ny Frelimo.
Raha ny fitantaran'ny The Guardian nanomboka ny Mey 2019 momba ny fifidianana tany Afrika Atsimo, heverina fa mifandray amin'i Prigozhin ny International Anticrisis Center. Na ny AIC na ny AFRIC dia samy niezaka nitarika ny fifidianana ho tombontsoan'ny antoko Kongresy Nasionaly Afrikanina (ANC), hoy ny The Guardian.
Mandràra ny fitsapan-kevitra mandritra ny fotoam-pifidianana ny lalàna Mozambikana. Nitatitra ny raharaha tany amin'ny biraon'ny Mpampanoa lalàna ny antokon'ny mpanohitra Renamo.
Na izany aza, niparitaka be tamin'ny media sosialy ny fitsapan-kevitra, anisan'izany ny pejy Facebook izay efa voafafa ankehitriny. Hita ao amin'ny tranokalan'ny AIC hatramin'ny androany ilay fitsapan-kevitra.
Taorian'ny namoahana azy, dia nanambara ny Center for Public Integrity (CIP), fikambanana fiarahamonim-pirenena Mozambikana fa mety ho fikasana hisarihana (hanindriana) ny hevitry ny vahoaka ilay fitsapan-kevitra.
O mais provável é que a sondagem publicada seja mais uma fake news. Os dados são bastante suspeitos, uma vez que o Presidente Filipe Nyusi teve uma classificação alta em termos de popularidade em Nampula controlada pela oposição do que em Gaza, que é bastião da Frelimo.
Azo inoana fa vaovao hosoka hafa ny fitsapan-kevitra navoaka. Tena mampiahiahy ilay angon-drakitra, satria sokajiana ho nahazo isa ambony ao Namputa izay fehezin'ny mpanohitra mihoatra noho ny ao Gaza anjakan'ny Frelimo ny filoha Filipe Nyusi.
Namoaka ny fitsapan-kevitra tao amin'ny sehatra media sosialy samihafa ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny antoko Frelimo. Nanaisotra izany ny iray tamin'ireo mpikambana izay nizara ilay fanadihadiana rehefa nampitandreman'ilay mpikatroka sosialy Tomás Queface tao amin'ny Twitter:
Ehehe estou na arquibancada a acompanhar o desenrolar da conversa. O ilustre @basiliomuhate publicou uma sondagem que dá vitória de Nyusi e a Frelimo em quase todas as províncias. Mas como apercebeu-se de que estava a cometer um ilícito foi obrigado a remover o link ?
— Tomás Queface (@tomqueface) October 9, 2019
Ehehe, mijery fotsiny ny resaka aho. Namoaka fitsapan-kevitra ny namako @basiliomuhate izay manome fandresena an'i Nyusi sy Frelimo saika any amin'ny faritany tsirairay avy. Saingy rehefa nahita izy fa nanao hadisoana araka ny lalàna, dia noterena hanala ny rohy ?
Naneho hevitra ilay mpikaroka tantara Afrikanina Eric Morier-Genoud:
Illegal interference in the #Mozambique elections. No poll is allowed to be published during the electoral campaign. From Russia with Love… https://t.co/Ayu2aMu4Tl
— Eric Morier-Genoud (@emorier) October 10, 2019
Fitsabahana tsy ara-dalàna tamin'ny fifidianana tany #Mozambika. Tsy misy fitsapan-kevitra azo avoaka mandritra ny fanentanana fifidanana. Am-pitiavana avy any Rosia…
Roa andro talohan'ny voka-pifidianana ofisialy nambara tamin'ny 30 Oktobra, namoaka sioka miarahaba an'i Filipe Nyusi sy Frelimo ny AIC.
Mozambique's President Filipe Nyusi is re-elected with 73% of the vote. His Frelimo party will get 184 seats in Parliament. Opposition party Renamo failed to win a single province pic.twitter.com/89Un408fCn
— International Anticrisis Center (@iaccenters_en) October 28, 2019
Voafidy indray tamin'ny isa 73 isanjaton'ny vato ny filohan'i Mozambika Filipe Nyusi. Hahazo seza 184 ao amin'ny parlemanta ny antokony Frelimo. Tsy nahavitra nahazo na dia faritany tokana aza ny antokon'ny mpanohitra Renamo
Fifandraisana Mozambika-Rosia
Nafàna ny fifandraisana eo amin'i Rosia sy Mozambika tao anatin'ny taona vitsivitsy izay.
Nitsidika an'i Moskoa ny filoha Mozambikàna Filipe Nyusi tamin'ny volana Aogositra, ary nanambara i Rosia tamin'izany fa hamafa ny 95 isanjaton'ny trosan'ny Mozambikàna, na dia tsy fantatra mazava aza hoe ohatrinona marina izy izany. Nanatrika ny fihaonambe Rosia-Afrika voalohany tany Sotchi ihany koa i Nyusi tamin'ny volana Oktobra.
Nanambara i Morier-Genoud fa fisaorana tamin'ny fanohanan'i Rosia no tena anton-dian'i Nyusi tany Rosia.
@FNyusi off to #Russia to thank the government for its military help, its meddling in elections, and possibly for some loan to help struggling ENH national oil company — “из России с любовью” #Mozambiquehttps://t.co/lF1jS9bUYa
— Eric Morier-Genoud (@emorier) October 22, 2019
Nankany #Russia i @FNyusi mba hisaotra ny governemanta tamin'ny fanampiany ara-miaramila, ny fitsabahany tamin'ny fifidianana, ary azo antoka koa fa tamin'ny fampindramam-bola hanampy hiadiana amin'ny orinasam-panjakana momba ny menaka, ENH – — “из России с любовью”
Tamin'ny 21 Oktobra, niarahaba an'i Mozambika noho ny fanatontosana ny fifidianana ny Minisiteran'ny raharaham-bahiny Rosiana.
❗ Presidential, parliamentary and gubernatorial #elections were held in #Mozambique on October 15. #Moscow welcomes the success of such an important event in Mozambique’s domestic political life. ? https://t.co/LfamnZp1u0 #Russia #Diplomacy #Africa #RussiaAfrica pic.twitter.com/lcPWoQ20a2
— MFA Russia ?? (@mfa_russia) October 21, 2019
Natao tany #Mozambika tamin'ny 15 Oktobra ny #fifidianana filoham-pirenena, parlemantera. Miarahaba ny fahombiazan'ny hetsika lehibe tahaka izany teo amin'ny fiainana ara-politika anatin'i Mozambika i #Moscow.
Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny andiana lahatsoratra manadihady ny fitsabahana amin'ny zo nomerika amin'ny alalan'ny fomba fanao toy ny fanakatonana sy ny fandisoam-baovao mandritra ny hetsika lehibe ara-politika any amin'ireo firenena Afrikanina fito: Alzeria, Ethiopia, Mozambika, Nizeria, Tonizia, Oganda, sy Zimbaboe. Tohanan'ny Africa Digital Rights Fund ao amin'ny The Collaboration on International ICT Policy for East and Southern Africa (CIPESA) ny tetikasa.