Tantara mikasika ny Mozambika tamin'ny Desambra, 2016
Miady Hevitra Momba Ny Hoavin'ny Fikatrohana Nomerika Ireo Mpisera Mozambikana
Nivory tao Maputo ireo bilaogera, mpanao gazety, mpikatroka nomerika mba hizara hevitra momba ny fampitam-baovao Mozambikana ary hanangana fiaraha-miasa vaovao ao amin'ny fihaonambe nokarakarain'ny Deutsche Welle (DW).
Mozambika: Mampiahiahy ny Mpiserasera Ny Tena Tanjon'ny Volavolan-“Dalàna Vaovaon'ny Fifanakalozana Elektrônika”
Niteraka ahiahy teo amin'ny olom-pirenena ao Mozambika noho ny tsy fahafantarana marina izay tena tanjony ny lalàna vaovao momba ny fifanakalozana elektrônika. Nolanian'ny Antenimieran'ny Repoblika vao haingana ity lalàna vaovao ity.
Tafakatra 100 Ny Isan'ireo Maty Taorian'ny Fipoahan'ny Kamiao Mpitondra Akoran'Afo Tao Afovoan'i Mozambika
Nilaza ny fanambarana farany avy amin'ny governemanta ao Mozambika fa olona 100 no maty fara fahakeliny, taorian'ny fipoahan'ny kamiao mpitondra solika tao Caphiridzange, distrika ao an-tanàndehiben'i Moatize , faritanin'i Tete , akaikin'ny sisin-tany ifanolorana amin'i Malawi.