Naato ny fantson'ilay YouTuber Mozambikana rehefa avy nalaina an-keriny sy norahonana izy

Pikantsarin'ny fantsona naato saingy naverina ny 22 Martsa.

Voararan'ny sehatra noho ny filazana fa nanitsakitsaka ny fitsipika fampiasana ny sehatra sakana ny kaonty YouTube an'ilay Mozambikana Arsénio Amós taorian'ny nakana an-keriny azy sy navotsotra avy eo tany am-piandohan'ny volana Febroary tany.

Ny fandefasana lahatsary nifanarakaraka an'arivony no fanitsakitsahan-dalàna nahatonga ity fampiatoana ny fantsona ity. Nambarany fa nangalarina ny kaontiny araka ny fanazavany tao anaty horonantsary vao haingana.

Iray amin'ireo YouTubers malaza any Mozambika i Arsénio, na “Beleza em pessoa”, araka ny amantarana azy, izay manana mpanjohy maherin'ny 80.000 ao amin'ny fantsona, talohan'ny fampiatoana.

Nalaina an-keriny nandritra ny 24 ora izy tany ampiandohan'ny volana Febroary talohan'ny namotsoran'ny polisy azy. Mbola any am-ponja hatramin'izao i Joe Williams ilay milaza ho mpaminany ary ahiana ho nanome baiko ny fakana an-keriny.

Andro vitsivitsy talohan'ny nakana an-keriny azy, namoaka horonantsary miampanga ilay milaza ny tenany ho mpaminany tao Mozambika tamin'ny fanangonan-karena tsy ara-dalàna i Arsénio. Niresaka momba ny tsy fanarahan-dalàna tamin'ny hetsika ara-pivavahana nataon'i Joe Williams izy tao amin'ny iray tamin'ireo horonantsariny.

Nandefa filazana ny YouTube fa naato ny kaonty talohan'ny namerenana ny fantsona tamin'ny 22 Martsa.

Horonantsary roa ihany no hita tao amin'ny fantsona rehefa naverina amin'ny laoniny – nesorina avokoa ny ankamaroan'ny horonantsary. Mbola miandry ny fahazoan-dàlana avy amin'ny Youtube izy amin'ny fandefasana lahatsary ao amin'ny fantsona.

Betsaka ny olona naneho hevitra tamin'ny fampiatoana ny fantson'i Arsénio, mba hanohanana indrindra ilay YouTuber ahafahany manohy ny asany.

Saingy nisy olona hafa nilaza fa voasazy noho ny nanalany baraka an'i Joe Williams ity YouTuber ity:

Valeu para tanto. O mal paga-se a mal. Quando prejudica a vida de alguém sem motivo, Deus usa uma outra pessoa para recompensar e pagar teus erros. Se vivias a custa deste canal, dias tens para viver momentos ruins. Finalmente pagaste teus erros.

Misaotra betsaka. Mizaka ny hadisoanao ianao izao. Mampiasa olon-kafa hamaly sy hanasazy anao amin'ny fahadisoanao Andriamanitra rehefa manimba ny fiainan'ny olona tsy amin'antony ianao. Handia fotoan-tsarotra ianao raha niantehitra tamin'ity fantsona ity. Nizaka ny vokatry ny hadisoana nataonao ihany ianao ny farany.

Tamin'ny 12 Martsa, nanambara tao amin'ny Facebook ilay YouTuber fa nanokatra fantsona vaovao izy, izay manana mpanjohy miisa 2.000 eo ho eo hatreto:

As nossas quedas servem de combustível para revelar o quão fortes nós somos e o quão capazes somos de quebrar uma montanha ?.
Olha para a sua tristeza como uma grande porta ? pra a felicidade.
A sua cabeça fica em cima ? e nunca em baixo ?
Por isso, foco nos sonhos, projectos etc e vamos a luta.
Inscreva-se no meu mais recente canal

Solika hanehoana ny tanjatsika sy ny fahafahantsika mandrava tendrombohitra ny faharesentsika .

Hevero ho toy ny vavahady lehibe mankany amin'ny fahasambarana ny alahelonao.

Mijoroa hatrany ary aza mitanondrika

Noho izany, mifantoha amin'ny nofy, tetikasa sns ary andao hiady.

Misoratra anarana ao amin'ny fantsona farany natsangako

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.