Nofoanan'i Mozambika ny didy hitsivolana amin'ny fampandoavana hetra mihoampampana ho an'ny mpanao gazety

Nofoanan'i Mozambika ny didim-panjakana tamin'ny 20 May 2020. STV Television, pikantsary tao amin'ny YouTube.

Tamin'ny volana Aogositra 2018, nampiditra ny fampiharana ny hetram-pankatoavana vaovao ho an'ny mpanao gazety ny governemanta Mozambikana, fepetra izay noheverin'ny tao amin'ny firenena sy tany ivelany ho mandrara sy manimba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.

Manodidina ny 30 ka hatramin'ny 500.000 meticais ny saram-bidiny (manodidina ny 507 sy 8.450 dolara amerikana) ary takiana ho an'ireo mpitati-baovao avy any ivelany sy ny vahiny ary ny mpanao gazety mahaleotena miasa any Mozambika.

Mbola tamin'ny taona 2018 ihany, nandefa fangatahana tany amin'ny Filankevitry ny Lalàmpanorenana ao Mozambika ny rafi-pitsarana ambony indrindra ao amin'ny firenena MISA-Mozambique izay mpanara-maso ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao eo an-toerana mba hanambara ilay didim-panjakana izay nametraka ny hetra vaovao ho tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana.

Tamin'ny 19 May 2020, nanaiky ny fangatahan'ny MISA ny Filankevitry ny Lalàmpanorenana ary nanafoana ny didim-panjakana.

O Conselho Constitucional declarou hoje inconstitucional o decreto que impunha taxas altas para o exercício de jornalismo em Moçambique.

Trata-se do decreto 40/2018, que entrou em vigor a 23 de Agosto do mesmo ano. O instrumento impunha taxas elevadas para o exercício do jornalismo no país e foi publicamente contestado, não apenas por profissionais e organizações ligadas à comunicação social, mas também por cidadãos particulares e pela sociedade civil.

Entre outras, as contestações evidenciavam que o decreto limitava garantias constitucionais como a Liberdade de Imprensa e o Direito à Informação, elementos fundamentais para a Democracia.

Androany, nambaran'ny Filankevitry ny Lalàmpanorenana fa ny didim-panjakana izay nametraka ny sarany lafo ho an'ny fampiharana ny asa fanaovan-gazety ao Mozambika dia tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana.

Nankatoavina ny 23 Aogositra 2018 ny Didim-panjakana laharana faha-40/2018. Nametraka ny sarany lafo amin'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena ny didy hitsivolana ary nahazo fanakianana ampahibemaso tsy avy amin'ny matihanina sy ny fikambanana mifandraika amin'ny fampitam-baovao ihany fa avy amin'ny olompirenena tsotra sy ny fiarahamonim-pirenena ihany koa.

Ankoatra izay, nampiseho ny fitsikerana fa feran'ilay didy hitsivolana ny antoka omen'ny lalàmpanorenana toy ny Fahalalahana An-gazety sy ny Zo Hahazo Vaovao izay singa fototra amin'ny Demokrasia.

Natolotra nandritra ny fanomanana ny fifidianana roa ny didim-pitsarana- ny fifidianana monisipaly tamin'ny taona 2018 sy ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2019. Nampanotany tena ny fiarahamonim-pirenena ny fanapahan-kevitra farany avy amin'ny Filankevitry ny Lalàmpanorenana hanafoana ny didim-panjakana sao natao manokana mba hamerana ny fitantarana ny fifidianana izany.

Hoy ny fikambanana Sala da Paz tao amin'ny Facebook hoe:

O decreto agora tornado inconstitucional tinha um objectivo e propósito definido. Vejam as datas e confiram para perceber que não foi um simples acto de agravamento de taxas. Tarde, mas foi bom a correcção feita.

Ilay didim-panjakana ankehitriny izay nolazaina fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana dia manana tanjona sy zava-kendrena voafaritra. Jereo ny daty ary hitanareo fa tsy fampiakarana hetra fotsiny no natao tamin'izany. Tsara anefa ny fanitsiana na dia somary tara aza.

Nihevitra ny fanapahan-kevitra ho fandresena i Borges Nhamirre, mpanao gazety:

O Decreto aprovado em 2018 foi revogado dois anos depois, como forma de “criar espaço para se aprofundar e alargar a reflexão sobre a matéria, com o envolvimento das empresas e profissionais de comunicação social”. Granda lata!

A Luta Continua!

Mas antes uma pausa para felicitar o grupo de jornalistas e ativistas que levou o caso ao Provedor da Justiça para ganhar patrocínio e submeter o caso ao CC!

Especiais agradecimentos ao Ericino de Salema que elaborou a petição.

Nofoanana roa taona taty aoriana ny didim-pitsarana nankatoavina tamin'ny taona 2018, ho toy ny fomba “hametrahana sehatra hisaintsainana lalina sy hanalalahana eritreritra momba ilay raharaha, amin'ny fidiran'ny orinasa sy ny matihanina amin'ny fampitam-baovao.” Vazivazy!

Mitohy ny tolona!

Fa saingy aoka aloha hiato ny fiarahabana ny vondrona mpanao gazety sy mpikatroka izay nitondra an'io raharaha io tany amin'ny mpanelanelana, izay nanohana izany ary nanolotra izany ho an'ny Filankevitry ny Lalampanorenana!

Fisaorana manokana ho an'i Ericino de Salema izay nanomana ny fangatahana.

Lava ny asa natao hanafoanana ilay didim-panjakana ary nandraisan'ny fikambanana sy fiarahamonim-pirenena maro anjara araka ny tatitry ny mpanao gazety Alexandre Nhampossa:

Vaovao tsara dia tsara avy amin'i @borges_nhamire tao amin'ny [Facebook]: nanafoana ilay didim-panjakana izay nametraka ny hetra mihoampampana ho an'ny asa fanaovan-gazety ny Filankevitry ny Lalàmpanorenana.

Ao anatin'ity sary ity ireo mpanao gazety sasany nitaraina momba ilay hetra tany amin'ny Biraon'ny Fampahalalam-baovao #Mozambika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.