Mihetsika manivana ny vaovao mivoaka amin'ny Twitter momba ilay fanafihana tao Cabo Delgado ry zareo Môzambikàna

Tetezana ao Cabo Delgado, Môzambika, 4 Aogositra 2009. Sary an'i F. Mira, nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 2.0.
[Raha tsy misy fanamarihana manokana, mitondra mankany aminà lahatsoratra amin'ny fiteny pôrtiogey ny rohy ato anaty lahatsoratra.]
Amin'izao fotoana izao, mihetsika ireo vehivavy mpampiasa Twitter ao Môzambika mba hizara ireo lahatsary sy torohay momba ny herisetra mamely ny faritanin'i Cabo Delgado, toerana iray anjakan'ireo vondrona mitam-piadiana, efa hatramin'ny 2017 [fr].
Mihoatra ny 900 ireo olona namoy ny ainy [en] hatramin'ny nanombohan'ireo fanafihana, ary ny tatitra iray avy amin'ny governemantam-paritra nivoaka tamin'ny Febroary 2020 dia manamafy fa maherin'ny 150.000 ny olona efa ianjadian'ilay fifandonana. Tsy mbola fantatra tanteraka ireo antony nanosika ireny fanafihana ireny, fa misy tondro vitsivitsy toa manondro vondrona islamista iray mpanao an-tendro.
Vakio koa : Soritra vaovao momba ny antony manosika ilay vondrona mitam-piadiana mampihorohoro ny faritra avaratr'i Môzambika [fr]
Tsy ela akory izay, ny governemanta môzambikàna dia nandray anjara taminà fihaonana an-tampony niarahana tamin'ireo filohampirenena hafa ao atsimon'i Afrika, andrana iray mazava tsara hitadiavana fanohanana ivelany amin'ny ady atao amin'ireo mpihoko.
Andro vitsy taty aoriana, nambaran'ny filoha môzambikàna ny fahafatesan'ireo roa mpitarika ilay vondrona tomponandraikitra amin'ireo herisetra any avaratry ny firenena.
Maro tamin'ireny fanafihana ireny no niafara tamin'ny fanelezana azy taminà endrika lahatsary sy saripika tety anaty tambajotra sôsialy, indraindray dia ireo mpanafika mihitsy aza no mizara azy. Rehefa tsy misy ny vaovao avy amin'ny mpitondra fanjakana, ezahan'ireo sasantsasany mpampiasa Twitter ny manangona sy mandrindra io votoaty io ety anaty tambajotra sôsialy :
#CaboDelgado as coisas pioram dia após dia, #massacres atrás de massacres, destruição de vilas umas das outras. Para quando o apoio militar da #SADC ?🤔
— Egídio João (@Egidio_E_Joao) June 3, 2020
Miharatsy isanandro ny toedraharaha ao Cabo Delgado, fandripahana tsy mitsahatra, fitetezana mandrava tanàna. Rahoviana no hisy tohana avy amin'ny tafika hataon'ny Fiombonamben'ireo Fanjakàna ao amin'ny ilany atsimon'i Afrika ?
Afinal o que está acontecer em Cabo Delgado (Moçambique)?
A Thread pic.twitter.com/kcVVZDBiTp
— Withney Osvalda (@withneysabino) June 1, 2020
Farany, inona no tena zavamitranga ao Cabo Delgado (Môzambika) ?
kofehin-kevitra . pic.twitter.com/kcVVZDBiTp
[sary] Vohitra iray ravan'ny afo. Hita amin'ny sary ny lavenona, sy ireo hazo fisaka mitsingidina amin'ny tany ary ireo hazo tapaka. Ery aoriana indray, toeram-ponenana mbola mijoro.
Okok
THREAD CABO DELGADO
Peço que deixem aqui em baixo toda informação que há disponivel sobre o que está a acontecer em Cabo Delgado, vamo nos ajudar a ajudar, invés de reclamarem só!!— soh fee uh (@smaquile) June 1, 2020
Ok, ok.
kofehin-kevitra iray momba an'i Cabo Delgado.
Miangavy anareo aho, apetraho etsy ambany izay vaovao rehetra azo raisina momba ireo zavamitranga amin'izao fotoana izao ao Cabo Delgado, hifanampy isika, fa tsy hitaraindraina fotsiny !
Para podermos ajudar temos que ter informação, e isso o governo não está a publicar, temos que estar a basear-nos em mouth to mouth information e videos fora de contexto que nos mandam de lá…
— druegas, sole da (@Queen_Tassy1) June 1, 2020
Mba hahafahana manampy, dia tsy maintsy hainay izay miseho, ary ny governemanta tsy mampita momba io resaka io, araka izany dia tsy maintsy miainga avy amin'ny resaka miampita izahay, ary ireo lahatsary mivoaka ny zavamisy izay alefa aminay avy any [amin'ny faritanin'i Cabo Delgado]…
Lembrei de ter lido nalgum lugar que a forma mais fácil de roubar terra é criando instabilidade ao ponto dos proprietários fugirem. Não há terra mais barata do que aquela em conflito e miséria. Agora pergunto… a quem interessa comprar Cabo-Delgado?
— manteiga de karité, bebé (@Leocadeea) June 1, 2020
Tsaroako novakiako tany ho any fa ny fomba mora indrindra hambaboana tany dia ny fambolena korontana mba hanerena ny tompony handositra. Tsy misy tany mora vidy tahàka ireo any anatin'ny faritra misy fifandonana sy fahantràna. Araka izany dia manontany tena aho… Iza no mahita tombony amin'ny fividianana an'i Cabo Delgado ?
Ao anatin'io onjam-panehoana hevitra io, misy ireo olona mampitaha ny toedraharaha ao Cabo Delgado amin'izay zavanitranga tany amin'ny firenena hafa :
Tenho visto em muitos Moçambicanos “Black life’s Matter” e menos “Pray for Cabo Delegado”…
— 𝗕𝗮𝘃𝘆 (@Djbavy) June 3, 2020
Tsikaritro tamin'ireo Môzambikàna maro [ny fihetsika] “Misy vidiny ny ain'ny mainty” [sic, anondroana ilay hetsika any Etazonia “Black Lives Matter”] fa tsy dia ny “Mivavaha ho an'i Cabo Delgado” loatra.
Etsy andaniny, betsaka koa ireo fampitandremana mameno ny Twitter momba ny fielezan'ny hafatra sasantsasany azo heverina ho mamitaka:
Mas muita atenção com a informação proliferada por este senhor, já várias vezes foi confrontado por mostrar imagens que não são de Cabo Delgado e ele tenta passar as images como “exclusivas”!
— Micah Dunduro (@Donduro88) June 2, 2020
Fa tsy maintsy mitandrina fatratra isika amin'ireo vaovao aelin'io rangahy io, efa im-betsaka izy no voapaingotra noho ny fanehoana sary tsy nopihana akory tany Cabo Delgado, milaza azy ireny ho sary “tsy misy mpanana”.
Tahàka izay ihany, nisy hetsika vaovao iray nipoitra, ikendrena ny hanairana indray ireo hestika firaisankina ho entina manampy ireo olona mizaka ny firohotan'ny herisetra any amin'ny faritanin'i Cabo Delgado :
Estamos a preparar a 4a Fase da campanha de solidariedade nacional por Cabo Delgado. Precisamos de voluntários para pré-organização
Por favor partilhem com os vossos amigos que possam ajudar-nos com cartazes e vídeos da convocatória✌🏽#CaboDelgado_também_é_Moçambique#CaboDelgado— Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) June 3, 2020
Eo am-panomanana ny fehezanteny fahefatra ho an'ilay fanentanana ho firaisankinam-pirenena ho an'i Cabo Delgado izao izahay.
Mila mpirotsaka an-tsitrapo ho amin'ireo fanomanana.
Maingavy, zarao amin'ireo namanareo mety afaka hanampy anay ireo afisy sy fanasàna #CaboDelgado_dia_Môzambika_ihany_koa #CaboDelgado
Quem puder ajudar de alguma forma:#CaboDelgado #CABODELGADOIMPORTA pic.twitter.com/Itnq9V507K
— Alícia Cossa (@alicia_cossa) June 3, 2020
Ho an'izay rehetra mety ho afaka hanampy, na amin'ny fomba ahoana, na amin'ny fomba ahoana.
#CaboDelgado #CABODELGADOIMPORTA pic.twitter.com/Itnq9V507K[sary] Afisy fangatahana tolo-tànana,miaraka amin'ny teny faneva natao sorabaventy : ” Tsy adino i Cabo Delgado !” Ny sary lafika dia sarina vondrona olona mitorevaka eo ambony tsihy napetraka amin'ny tany, manao sarontava. Azo vakiana anaty soratra miloko fotsy ny hoe : “Fotoana izao hanaovana izay vita ! Isan'i Môzambika i Cabo Delgado ! Mila antsika ireo rahalahintsika mialokaloka ao Cabo Delgado ao Namialo (Nampula).” Ankoatra ny fanampiana ara-bola, mangataka tolo-tànana amin'ny fitafiana ho an'ny ririnina, lamba fitafy, fitaovana fidiovana, ary sakafo tsy mora simba ihany koa ilay vondrona.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...