Tantara mikasika ny Mozambika tamin'ny Marsa, 2023
Vehivavy Mozambikana no nandresy tamin'ny fifaninanana nahandro iraisam-pirenena tany Portiogaly
Tamin'ny 19 Febroary, nandresy tamin’ny iray tamin'ireo fifaninanana nahandro lehibe indrindra amin’ny firenena miteny Portiogey ilay Mozambikana Sahima Hajat.
Nandresy tamin'ny Karnavaly tao São Paulo ny sekoly Samba nanoritsoritra ‘Samurai’ teraka tany Mozambika
Mampiseho ny tantara Mozambikana, antsoina hoe samurai any Japana tamin'ny taonjato faha-16. Voalaza fa teraka tao amin'ny Nosy Mozambikana iray i Yasuke mainty hoditra voalohany tonga tany Japana ary lasa samurai mainty hoditra voalohany.
Kôlera, aretina mbola mampanahy hatrany any Mozambika
Nahitana aretina izay tsy dia noresahina firy any amin'ny firenena hafa tao Mozambika, saingy mampanahy ny firenena tokoa izany. Kôlerà izy io na ilay antsoina hoe 'aretin'ny tanana maloto'. Areti-mifindra izay mahakasika ny olona an'arivony any Mozambika.
Ny zava-doza amin'ny famoràna vehivavy any Mozambika
Matetika atao amin'ny tovovavy eo anelanelan'ny fahazazana ka hatramin'ny 15 taona ny famorana vehivavy. Mifototra amin'ny fifangaroan'antony ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina ity fomban-drazana ity, toy ny tsindry ara-tsosialy sy ny fomba fanao, ny finoana ara-pivavahana ary ny hevitra momba ny hamanjàna sy ny fahadiovana.
Navoakan'ny Freedom House ny fomba hanoheran'i Mozambika ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao
Nanasongadina indray ny momba ny fitaoman'i Shina eo amin'ny sehatry ny serasera any amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao, anisan'izany i Mozambika ny Freedom House.