Venezoela: Miakatra ny tranganà Kôlera

Nandritra ny fampakarambady iray natao tany amin'ny Repoblika Dominikana, nisy vondron'olona Venezoeliana nahitàna valan'aretina Kôlera taorian'ny fihinanana sakafo voaloton'io aretina io; maro amin'ireo natao fitiliana no nitondra ny valan'aretina Kôlera tany Venezoela, vantany vao tafaverina an-tanindrazana izy ireo, tonga dia nampidirina tany amin'ireo hopitalim-panjakana sy tsy miankina. Raha 13 fotsiny ireo tranga hita tany am-piandohana dia niakatra be izany tao anatin'andro vitsy monja.

Tetiandron'ny aretina malaky miparitaka

Ny 26 Janoary, ny Minisiteran'ny Fahasalamana, Eugenia Sader, nanambara [es] tranganà Kôlera maro tao amin'ny firenena. Io andro io ihany, nitatitra i Adriana (@Cotidiana):

Trece (13) venezolanos llegaron enfermos de cólera de República Dominicana. Todos están hospitalizados

Venezoelanina Telo ambin'ny folo (13) no tonga nararin'ny Kôlera avy any amin'ny Repoblika Dominikanina. Naiditra hopitaly daholo izy ireo.

Ny 27 Janoary, Venezolana de Televisón (VTV) –tambajotram-pahitalavi-panjakana– tao amin'ny kaonty Twitter-ny (@vtvcanal8) dia nampandre fa,

452 venezolanos habrían asistido a celebración en República Dominicana el 22 de enero, de estos 3% podría presentar síntomas de cólera

452 ireo Venezoelanina nanatrika ny lanonana tany amin'ny Repoblika Dominianina ny 22 Janoary, 3% amin'izany no mety hitrangan'io valan'aretina Kôlera io

Ny 28 Janoary, miahiahy amin'ity isan'ireo tranga voatatitra androany ity i Joce Taboada (@Jocetaboada):

Epa! #quefuerte—-> Van 111 casos de cólera en el país – http://bit.ly/h6xoP7

Oay! #noway—-> 111 amin'izao ireo tranganà Kôlera hita eto amin'ny firenena – http://bit.ly/h6xoP7

Ny andro taorian'io, ny 29 Janoary, nitoraka tweet ny tranokalam-baovao ao amin'ny aterineto La Patilla (@La_patilla):

Aumenta a 116 casos de cólera en Venezuela http://bit.ly/gUe9EW

Niakatra ho 116 ireo tranganà Kôlera hita any Venezoela http://bit.ly/gUe9EW

Miteny i Marietta Pareira (@maripereira_542), ny 30 Janoary:

118 afectados por cólera han recibido tratamiento http://bit.ly/gUe9EW#aychiamo

olona 118 voan'ny Kôlera no efa nahazo fitsaboana http://bit.ly/gUe9EW#ohboy

Io andro io ihany, avy any amin'ny tanànan'i Maracaibo, manome rohy mankany amin'ireo vaovao vao haingana i Friorella Di Fiore (@fioredifiore):

Ya son 135 los tratados contra el cólera http://bit.ly/hCHfim

Amin'izao fotoana izao dia 135 ireo olona tsaboina noho ny Kôlera http://bit.ly/hCHfim

Fandraisana fepetra

Mampitandrina i Maria M. Vizcaino (@mechevizcaino) :

Noo se puede comer en la calleeee.. Entiendanlooo!!!!!!!!!! Hay colera!

Tsy mahazo mihinana zavatra eny amoron-dalana ianao… Mba mahaiza manakatra! Misy Kôlera eny [eny ivelany eny]!

Manome sosokevitra i Juan Díaz (@juandiazyaracuy) :

Si vas a comer carne, pollo, huevo o pescado, cocínalos muy bien. Evita el cólera. Más información: 0-800 VIGILAN (8444526)

Raha hihinana hena, akoho, atody na trondro ianao, andrahoy tsara izy ireny. Sorohy ny Kôlera. Fanampim-panazavana: 0-800 VIGILAN (8444526)

Nametraka lohatenina lahatsoratra ahitàna fampahalalana mikasika ity areti-mifindra ity ny Dr. Rigoberto J. Marcano Pasquier (@rimarcan) ao amin'ny La Patilla [es]: “Kôlera, valan'aretina afaka manaisotra haingana ny ainao .”

Ao amin'ny bilaogy Frente Ecológico PSUV [es], ny Dr. Julio Castro, manam-pahaizana amin'ireo areti-mifindra sady mpampianatra ao amin'ny Foiben'ny Anjerimanontolon'i Venezoela (UCV), nilaza fa ny trangana Kôlera any Venezoela,

“es una situación de preacaución, más que de alerta, por lo que hay que cumplir las medidas respectivas y evitar así una epidemia”.

“dia endrika fisorohana, mihoatra ny fanairana, noho izany dia mila mijery ireo fepetra mifandraika amin'izany isika ary dia ho voasoroka ny valan'aretina.”

Niakatra ny isan'ireo tranga voatatitra. Manantena tokoa ny Venezoeliana fa “fielezan'aretina”izany, tahaka ny nambaran'ny Governemanta, na dia efa mihoatra ny 3% noheverina tany am-boalohany aza ny isan'ny olona voan'ity Kôlera ity –135 amin'ireo 452 nanatrika, araka ireo tatitra farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.