Nitohy naneho ny ahiahiny amin'ny valim-pifidianana vonjimaika, andro vitsivitsy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ny 1 Jolay teo, ireo mpiandany sy mpikambana amin'ilay hetsiky ny mpianatra #YoSoy132.
Nanao voady ihany koa izy ireo ny hanohizany ny ezaka mba hanovàna ny fandaharana ara-politika sy handrisika ny fandraisan'anjaran'ny tanora. Fifidianana mangarahara tsy misy kolikoly ao amin'ny firenena noho ny fironan'ny gazety amina antoko politika no tena fototry ny fitakiana.
Taorian'ny fifidianana ny 1 Jolay teo, nanomboka nizara ny eritreriny, ny ahiahiny, ary ny fahadisoam-panantenany amin'ny ankapobeny, ireo mpisera aterineto mpanohana ny hetsika.
Nijery ny fifidianana amin'ny alalan'ny randram-baovao hita ao amin'ny Twitter i Benedicte Irgens (@Birgens):
Mamaky sioka momba ny fifidianana Meksikàna. Misaritaka ny ankabeazany. Ahitana porofona halatra kosa ny sasany.
#Fraude2012#Yosoy132
Nandritra izany fotoana izany, naneho ny ahiahiny mikasika ilay valim-pifidianana vonjimaika ny mpisera EMB (@ErnestoMtzB) [es]:
F**K, está pasando otra vez. Una vez más. No hay que dormir. No podemos dormir. No esta vez, MEXICO. No más.
#YoSoy132.
Nijery ny hoavy tamin'ny lafiny tsara i Pati Peñalosa (@patipenaloza) [es], miaraka amin'ny teny fampaherezana:
lloremos juntos. pero después sequémonos juntos. abracémonos. caminemos juntos. trabajemos juntos. iluminemos juntos. SUMEMOS
#YoSoy132
Nisioka momba ny hetsika izay mety hitranga aorian'ny fifidianana i Gina Naya (@GinaNaya) [es]:
Porque movimientos como #YoSoy132 seguirán creciendo y habrá otros nuevos de gente que SI desea un cambio verdadero en México…
Nidia Ortega (@cool_lavy15) [es] kosa nanazva fa tsy hitsahatra ny hetsika:
rendirnos jamas
#YoSoy132
Na izany aza, tsy ny tanora rehetra ao Meksika no manohana ny #YoSoy132 sy ireo fihetsem-pon'ny hetsika amin'ny fifidianana; manahy ny voka-dratsy ny hetsika ny sasany amin'ireo mpisera.
Maneho ny tsy fahafaliany amin'ireo mpianatra manao fihetsiketsehana i Julián Pavón (@jpavon86) [es], mangataka amin'izy ireo hianatra toy izay haneho ny tsy fahafalian'ny vahoaka amin'ny hetsika:
Los de
#YoSoy132 dejénse de marchas y ponganse a estudiar, acepten el resultado como buenos ciudadanos si creen en la autoridad electoral
Naneho hevitra kosa ity mpisera namana, Javier Novoa Cantaño (@JaviStitch) [es],fa nahita paik'ady tsara ireo tanora mpanao fihetsiketsehana:
marchas? mas marchas? no!… a ver leanse ‘Rules for Radicals’ de Saul Alinsky y aprendan qué debemos hacer los proximos 6 años…
#YoSoy132
24 ora taorian'ny fifidianana, nivondrona teo amin'ny tsangambaton'ny Luz Estela ao Mexico ireo mpianatra, nanao diabe sy nangataka fifidianana vaovao noho ny fiahiahiana eo amin'ny resaka hala-bato [es]. Nizara ny sary nandritra ny fihetsiketsehana i Dalila Andriano (@dtadriano) mpisera namana:
Mbola maro ireo horonantsary nozarain'ny olom-pirenena, toy ny jiboles100: