Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Jolay, 2017
Kolombia: Ny Fanakatonana Ny Gazetiboky Cambio
Nakaton'ny tompony ny gazetiboky Cambio, fantatra amin'ireo tatitra fanadihadiana fanaony. Fanakatonana izay lazaina fa noho ny antony ara-bola. Kanefa ho an'ireo mpanao gazety, dia antony ara-politika no nanosika ny fandraisana fanapahankevitra.
Fanatanjahantenam-pirenena: Fanehoana Tokana Ny Rehareham-Pirenena
Jereo ny fanatanjahantenam-pirenena tsy manam-paharoa ao Colombia, Japana, Malezia, Indonezia, Qatar ary ny Emirà Arabo Mitambatra.
Kolombià: Angatahan'ny Filoha Ny Vahoaka Hanome Vaovao Momba Ny Heloka Bevava
Noho ny fahitàna ny fitomboan'ny heloka bevava any amin'ireo tanàna Kolombiàna maro, nantsoin'ny filoha Uribe ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo ao Medellin sy ny mpamily fiarakaretsaka ao Cali mba hiasa ho toy ny mpanome vaovao momba ireo heloka bevava mety hisy.
Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena: Fiaraha-miasa Miampita Sisintany
Ny Vlog International (Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena) dia tetikasa mampivondrona ireo bilaogeran-dahatsary miteny Espaniola : mandefa ny heviny ny olona ary rehefa voafidy ny iray amin'izany dia mandrakitra ny sombindahatsariny ny tsirairay
Mamela Ny Vondrom-piarahamonina Tompotany Kolombiana Handefa Antserasera Ny Fampianarana Ny Fiteniny Ny ‘En Mi Idioma’
"...nanana kolontsaina am-bava izahay nandritra ny taona maro ary mbola manohy izany hatramin'izao , kanefa mihevitra izahay fa zava-dehibe ny manorina ny rafitra ara-tsoratra ho toy ny paikady velona."
Amerika Latina: Rehareha Amin'ny Fandraisana Anjaran'Ireo Mpitendry Zavamaneno Ao Amin'ny Amboaram-peon-javamaneno YouTube
Nanoratra ny fanombohan'ny YouTube Symphony Orchestra (Amboaram-peon-javamaneno YouTube) tao amin'ny Carnegie Hall ny bilaogera avy any Amerika Latina, izay nahitana ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana an-tserasera manerana izao tontolo izao nalefa fiaramanidina ho any New York mba handray anjara amin'ity orikesitra ifarimbonana ity.
Arzantina: Mi* Sehatra Ho An'ny Olom-pirenena Mpanao Gazety Miteny Espaniola Vao Misondrotra
Nitsimoka tao Arzantina ny tranonkala Mi * fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena , fikasana ho lasa sehatra ho an'ny olom-pirenena mpanao gazety miteny espaniola vao misondrotra mba hamoahany ny asany sy handraisany fanehoan-kevitra, hiresahany foto-kevitra, hahazoany fiofanana sy hizarany votoaty.
Kolombia: Manana Fantsona YouTube Ny Polisy Nasionaly
Manana paikady vaovao hizarana ny fomba fiasa ao anatin'ny asany ny Mpitandro ny Filaminana Kolombiana: namoaka lahatsary iray tao amin'ny ny fantsona YouTube izy ireo izay mampiseho ny teknolojia vaovao ampiasain'izy ireo sy ny olom-pirenena misaotra azy ireo noho ny fanampiany ary ny sarin'izy ireo eo am-panatontosana ny asany .