Kolombia: Manana Fantsona YouTube Ny Polisy Nasionaly

(Marihina fa tamin'ny 2 Aprily 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Manana paikady vaovao hizarana ny fomba fiasa ao anatin'ny asany ny Mpitandro ny Filaminana Kolombiana: namoaka lahatsary iray tao amin'ny ny fantsona YouTube izy ireo izay mampiseho ny teknolojia vaovao ampiasain'izy ireo , ny olom-pirenena misaotra azy ireo noho ny fanampiany, ny fanentanana ny fomba fiarovana vaovao sy ny sarin'izy ireo eo am-panatontosana ny asany .

Ato amin'ity lahatsary manaraka ity , mampiseho ny vahiny iray misaotra ny Polisy izy ireo noho ny fanampiana avy hatrany rehefa nisy nanendaka tao afovoan-tanànan'i Medellin ilay vahiny:

https://youtube.com/watch?v=mEz48bw6jNg

Ato amin'ity manaraka ity indray, manolotra ny antsafa miaraka amin'ilay hany vehivavy tokana matihanina amin'ny fitifirana ao amin'ny Polisy ao Kolombia izy ireo:

Manana lahatsarin-kira mihitsy aza izy ireo izay ahitana ilay mpihira nandresy tamin'ny loka iraisam-pirenena Kolombiana Juanes nisaotra azy ireo talohan'ny nihirany a cappella iray ho an'ny mpikambana ao amin'ny mpitandro ny filaminana.

Ato amin'ity lahatsary farany ity, nitatitra momba ny fepetra fiarovana mandritra ny Fivoriamben'ny Bankin'ny Fampandrosoana Iraisampirenena tao an-tanàndehiben'i Medellin, miaraka amin'ny angidimby misidina teo ambonin'ny tanàndehibe mba hanaraha-maso ny fifamoivoizana ety an-tany izy ireo.  Mampiseho antsika ny endriky ny tanàndehibe avy eny an'habakabaka miaraka amin'ireo toera-mana-tantara malaza indrindra ilay lahatsary:

https://youtube.com/watch?v=Op_LJPw9GJA

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.