· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Janoary, 2018

PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany

Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.

Andiana Tanora Kolombiàna Mpanohitra Raharaha Miaramila, Mankalaza Ny 10 Taona Nanoherana.

  18 Janoary 2018

Ny 17 May lasa teo no nanamarihana ny tsingerintaona faha-folon'ny Antimili sonoro [es], hetsika iray nokarakarain'ny tambajotra Youth Network mba hanaparitahana amin'ny alalan'ny mozika ho amin'izao tontolo izao mikasika ny fanoherana ny tsy maintsy hanaovana raharaha miaramila. Nankalazaina tamin'ny alalan'ny lanonana ny daty, ary fivoriana maro no nokarakaraina nandritra ny volana May manontolo, resadresaka sy diabe fankalazana ny faha-folo taonan'ny hetsika Tsy fankatoavana sy fanoherana sivily nataon'ilay fikambanana tanora. Mampiseho fanasàna ho amin'ireo hetsika, ireo rakitsary fampahafantarana sy lahatsary fohy iray avy amin'ny iray amin'ireo tarika ska niaka-tsehatra tamin'ilay kaonseritra.

Lahatsary : Ireo Famakiamboky Entina Mandehandeha Misy Manerantany

  01 Janoary 2018

Amin'ny ankamaroan'ny rafitry ny famakiam-boky, nanjary tena ilaina ny famakiamboky mandehandeha, mitondra boky ho an'ireo tsy afaka miditra any amin'ny trano famakiamboky. Fa na izany aza, any amin'ny toerana maro, noho ny faharatsian'ny làlana na tsy fahampian'ny fitaovana dia tsy azo atao intsony ilay rafitra mahazatra, fitondràna izany amin'ny fiarabe fitaterana na kamiao. Noho izany dia nipoitra ho toy ny safidy mety hitondràna boky ho an'ireny vondrom-piarahamonina irenyny famakiamboky amin'ny saretin'omby, ny famakiamboky entin'ny ampondra ary ny famakiamboky entin'ny môtô.