Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Mey, 2017
Manana Mpandresy Ny Fifaninanana Lahatsary An-tserasera Momba Ny Mpanjifa Tompon'andraikitra
Lahatsary Kolombiana fohy no voafidy ho mpandresy tamin'ireo tafakatra famaranana iraisam-pirenena miisa 10 tamin'ny fifaninanana horonantsary fohy an-tserasera iraisam-pirenena faha-4 amin'ny Kolontsain'ny Mpanjifa Tompon'andraikitra. Hoan'ny mpifaninana amin'ny teny Espaniola mpamokatra horonantsary fohy avy ao Espaina sy Amerika Latina ny fifaninanana izay karakarain'ny ECODES sy ny Fitantanana Jeneralin'ny Fanjifana Governemantan'i Aragon.
Kôlômbia: Ny Famindràna Toerana Ny Mponin'i Ituango
Tery eo anelanelan'ireo mpiady anaty akata sy ireo vodrrona mitampidiana ivelan'ny tafika, voatery nandao ny taniny ary nikaroka fialofna atany an-tanàndehibe ireo olona miaina any amin'ny manodidina ilay tanàna kôlômbiana, ao Ituango. Ireo bilaogera no manoritsoritra ny toedraharaha.
Ny “Famotsiana” Ara-tSosialy Araka izay Iainana sy Ahitàn'ilay Lasibika Afro-Kolombiàna Azy
"Ireo ankizy ho voadio ara-tsosialy nefa tsy ho tonga saina amin'izany akory no eritreretiko. Avakavahana ry zareo nefa tsy mahalala na inona na inona momba izay razambeny" . Inona no ho fiantraikany amin'ireny ankizy ireny rehefa tsy toriana ny tahàka izany?