Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Mey, 2016
Nahatonga Hetsi-Panoherana Ny Krizin'Ny Fahasalamana Tao Medellín, Kolombia
Nifamory teo anoloan'ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana tao an-tanànan'i Medellín Kolombia tamin'ny herinandro lasa teo, tamin'ny 19 May, ireo mpanao fihetsiketsehana niezaka ny hanery ny manampahefana mba hidinika ny lesoka efa nisy hatry ny ela sy manjaka ao amin'ny rafitra ara-pahasalamana eo an-toerana.
GV Face: El Chapo Ve no amin'ny T-Shirt Anao? Ny Fanaovana Ny Herisetra any Amerika Latinina Ho Zava-Manintona Sy Mampientanentana

T-shirts, hira, laza, ary eny hatramin'ny antsafa ifanaovana amin'ny Rolling Stones [mg] Iza no mandresy ary iza no resy amin'ny fanaovana ny herisetra ho zava-manintona?
Kolombia, Ny Fifandirany Sy Ny Fanantenàny Araka Ny Fijerin'ireo Mpanabe Ao Anatin'ny ‘Quotidiens d'Urabá’
Ity ny sombiny amin'ireo tantaran'ny mponina ao Urabá any avaratr'i Kolombia, izay na eo aza ny fifandonana mitam-piadiana, ny tsy firaharahàn'ny fanjakàna ary ny rafi-pampianarana sy ny tsy fifandeferana, dia mandà kosa ny tsy hibaikoan'ny tantaran'izy ireo ny hoaviny.
Mpikatroka Tontolo Iainana Mampitandrina Fa Mampidi-doza Ny Hazom-pirenen'i Kolombia Ny Fitrandrahana
"Angamba ny fomba tokana hahitana ny voaniho savoka amin'ny hoavy dia amin'ny hajia na vola taratasy sisa."
Tantara Mahasondriana Amin'ny Tantaran'ny Volan'i Colombia Amin'ny Tarehintsoratra 140 Na Latsak'izany
Mizara ny zavamisy marina momba ny volan'i Kolombia ao amin'ny Twitter i @MonedasColombia. Ohatra, fantatrao ve fa 100 taona lasa izay, namoaka vola taratasy 25 peso ahitana sarin'alika eo amboniny ny Banky Nasionaly?