Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Febroary, 2018

Kolombia: Fanehoan-kevitra Tao Amin'ny Twitter Taorian'ny Fivorian'ny FFA Manokana Momba an'i Venezoela sy Kolombia

Noresahana manokana tamin'ny fivoriana tao amin'ny Fikambanan'ny Fanjakana Amerikana (FFA) ny olan'i Kolombia sy Venezoela, ka naneho ny fomba fijerin' izy ireo tamin'izany ireo ambasadera avy amin'ireo firenena roa tonta.

Colombia: Mahavita Lahatsary Iray Isan'andro Ireo Bilaogeran-dahatsary Tamin'ny Taona 2010

Tamin'ny faran'ny taona 2009, nisy hetsika iray mahaliana tao Kolombia, raha nanolo-kevitra i Juan Falla, bilaogera mpamoaka horonantsary fa mamorona lahatsary iray isan'andro mandritra ny taona 2010 ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina bilaogin-dahatsary.

Kolombia: “Ojo al Sancocho” Fetiben'ny Horonantsarin'ny Vondrom-piarahamonina

Nokarakarain'ny orinasa Sueños Film Colombia (Filma Nofinofy) ny Fetibe Iraisam-pirenen'ny Filma sy Lahatsary Hafa an'ny Vondrom-piarahamonina antsoina hoe "Ojo al Sancocho [es]" ary natao tamin'ny 18-25 Septambra 2009 tao Ciudad Bolívar 

Kolombia: Miaro Ny Kolontsaina Afro-Kolombiana Ao San Basilio de Palenque

Miasa amin'ny fitehirizana ny lovan-kolontsain'izy ireo, ary koa ny fiteny Palenquero, fiteny Kreola Espaniola izay tombanana ampiasain'ny olona miisa 2.500 eo ny taranak'ireo andevo Afrikana ankehitriny ao San Basilio de Palenque, avaratr'i Kolombia.

Colombia: Andro Tsy Misy Fiara Ao Medellín

Lasa lavitra mihoatra ny andro tsy misy fiara ity fianakaviana ity: nalain'ny rainy sy ny reniny tamin'ny soavaly tany an-tsekoly ny ankizy. 

Colombia: Mankalaza ny Fetiben'ny Voninkazo i Medellín

Isan-taona, rehefa tonga ny volana Aogositra, mitodika amin'ny Fetiben'ny Voninkazo amin'ny dikan'ny teny rehetra ny tanànan'i Medellín, Colombia.

Kolombià: Miteraka Ahiahy Ny Fanavotana Takalonaina

Taorian'ilay fanavotana nolazain'ilay mpirotsaka hofidiana ho filohampirenena fahiny, Ingrid Betancourt hoe 'tsy nisy tomika', takalonaina navotan'ny tafika kolombiàna tamin'ny Alarobia 2 Jolay 2008 niaraka taminà 14 hafa notazonin'ny Tafika Revolisionera Mitampiadiana ao Kolombià (FARC), efa ho 10 taona mahery ny an'ny sasany, nilaza ny ahiahiny ny vondrom-piarahamonina kolombiàna momba ny...

Trandraho Ireo Lahatsary Vaovao Ao Amin'ny Rising Voices

Efa nampiofana mpandray anjara tamin'ireo vondrom-piarahamonina tsy voasolotena araka ny tokony ho izy mikasika ny fomba fampiasàna fitaovam-pampitam-baovaon'olon-tsotra mandritra ny fito volana ny fihodinana voalohany amin'ny tetikasa Rising Voices.

Jorge Jurado Mi-Rap Momba Ny Median'Olon-tsotra

Iray amin'ireo tanora 20 eo ho eo ao amin'ny vondrom-piarahamonina sarangan'ny mpiasa ao amin'ny manodidina an'i San Javier La Loma izay mandrafitra ny vondrona median'olon-tsotra "ConVerGentes" i Jorge. Mpandravaka sady mpanakanto hip-hop izy, namokatra lahatsary fanadihadiana fohy momba ny kolontsaina graffiti ao Loma sady mibilaogy ny La Voz del Silencio.