Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Oktobra, 2012

Kolombia: Mpanao Gazety Voaraoka Fa Namoaka Lahatsoratra Momba Ilay Orinasan-Tsolika

Noroahina avy tao amin'ny habaka an-tserasera Kien&Ke ny mpanao gazety kolombiana Daniel Pardo taorian'ny namoahany lahatsoratra iray momba ny faneren'ny orinasan-tsolika Kanadiana Pacific Rubiales amin'ny fampahalalam-baovao tahaka ny W Radio. Maro ny mpiserasera no nitovy hevitra fa famelezana ny fahalalahan'ny mpampahalala vaovao izao fandroahana izao.

Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly

Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly. Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana], […] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana –...

Fitakian'ny Kolombiana Tsy Misy Vono-olona Anatin'ny 24 Ora

Vaovao farany (4 Oktobra 2012): Nitatitra i Carlos Eduardo Valdés Moreno, talen'ny Ivom-pahasalamana Misahana ny Fandidiam-Paty sy ny Siansan'ny Diam-bono ao Bogota fa 28 ny isan'ny vono-olona nitranga tao Kolombia tamin'ny 2 Oktobra 2012: “matetika  tafakatra hatramin'ny 79 ny isan'ny namoy ny ainy noho ny vono-olona mahatsiravina ao amin'ny firenena [Kolombia]. Tratrantsika...