Tantara mikasika ny Indonezia
Manampahefana ao Indônezia, manandrana manampim-bava ireo mpikatroka ao amin'ny Greenpeace, niova làlana rehefa voakiana
Efa nosintonina ilay fitoriana mba hisorohana ny "famadihana ho resaka pôlitika" azy io sy ireo honohono milaza fa tsy mahazaka kiana ny fanjakana.
Nandritra ny fihibohana vokatry ny valanaretina, nitombo be izay tsy izy ny fanararaotana ara-nofo nataon'ireo mpampiasa tamin'ireo mpiasa an-trano tao Hong Kong
Navoitran'ny fanadihadiana iray nataona vondrona mpiaro zon'olombelona fa manodidina ny 40.000 eo ireo vahiny mpiasa an-trano no tsy nanam-pitsaharana nandritra ilay valanaretina, ary 20.000 amin'ireo no tsy nahazo afa-tsy andro iray ho fitsaharana isambolana.
Lisitra nandaharana sarimihetsika maitso: Sarimihetsika fohy aziatika miresaka tontolo iainana
Asongadin'ireo sarimihetsika ireo ny tolon'ireo vondrompiarahamonina isankarazany hiarovana ny tanin-dry zareo, ny tontolo iainany ary ny lovany ara-kolontsaina.
Hetsika Biru Terong : Fampiasàna ny herin'ny lahatsary hitondra fiovàna sôsialy ao Indônezia
"Mba hitahirizana ny tena zavamisy ara-tsosialy sy ara-toekarena any anatin'ireo vondrona atao ankilabao ao anaty fiarahamonina dia ampiasainay ny lahatsary, ary ampiasainay ireny sary ireny mba hanetsehana ny fifanakalozankevitra sy ny fizàrana asa"
Manentana ny taranaka vaovao miteny Bali amin'ny alàlan'ny superheroes sy wiki
"Ny fidirana tsy mitovy amin'ny tontolo nomerika no olana lehibe indrindra eto aminay. Mitombo hatrany ny mpisera aterineto, saingy tsy ny faritra rehetra ao Bali no manana fifandraisana amin'ny aterineto raha ny tena marina."
Toeram-piofanana football anjotra manampy ny ankizy Indoneziana hanatsara ny fahaizany mandritra ny valan'aretina
Manantena izahay ny hanamora ny fahafahan'ny ankizy indoneziana rehetra hanohy hanabe voho ny hery miotrika ao anatiny ao anatin'ny vanim-potoana sarotra tahaka izao.
Indonezia: Manohitra ny fifohana sigara, ny yoga ary ny famatorana ny fantson-dranonaina ny Fatwa….
Naneho hevitra manoloana ny Fatwa navoakan'ny Filankevitra Ulema Indoneziana ny bilaogera indoneziana, anisan'izany, ankoatra ny hafa, ny fandraràna ny yoga izay misy singa Haindò, ny fandrarana ny fandavana ny fifidianana, ny fandrarana ny fifohana sigara eny amin'ny toerana misy ny daholobe, ary ny fandrarana ny famatorana ny fantson-dranonaina.
Mpampihanaka COVID-19 malaky sy ny “andavanandro vaovao” indoneziana
Fihaonana ara-pivavahana iray tamin'ny volana marsa no ahiana ho niteraka ny fianahan'ny viriosy tany amin'ny faritany miisa 22, hoy ny manampahefana ara-pahasalamana.
‘Indonezia, na ahoana na ahoana’: Ketraka amin'ny fomba fiady amin'ny COVID-19 ireo miasa eny amin'ny lohalaharana
"Nivarotra ny ainay izahay, saingy kely noho ny tokony ho izy ny aloa aminay. Mpanampy mpitsabo an-jatony no miatrika fampihenana/fanapahana karama ary nohazonina ny karaman'ny volana faha-13n-dry zareo."
Nipoaka ny hatezerana rehefa nambara fa anisan'ny hotiliana voalohany amin'ny COVID-19 ireo mpanao politika Indoneziana
"Betsaka ny olona tezitra amin'ireo parlemantera satria na dia ny mpitsabo, ny infirmiera, ny mpamilin'ny fiara mpitondra marary - ireo olona tena akaikin'ny marary - aza dia tsy atao fitiliana."