Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Aogositra, 2017

Indonezia: Efi-Pivoriana IM Misahana Fanavotana Tamin'ny Horohorontany

Ny World Wide Help Group dia mikarakara fivoriambe IM (antserasera) mivantana mandritra ny fotoana rehetra hifanampiana tamin'ny fihovitrovitry ny tany tao Java amin'ny alalan'ny fampiasana Yahoo Messenger

Ahoana ny Hanampiana ireo Niharam-Boinan'ny Fihovitrovitry ny Tany tao Indonezia

Afaka mitsidika ny bilaogin'i Merlyna Lim ankehitriny ireo mpikambana ao amin'ny firaisamonina iraisam-pirenena izay miahiahy tanteraka manoloana ny horohorontany tao Indonezia, izay tafakatra 5.000 ny maty ary an'arivony marobe no naratra, manangona am-pivitrihana momba ny adiresin'ireo sampan-draharaha marobe ao Indonezia sy iraisampirenena manao fanampiana ny bilaoginy.

Indonezia: Tondra-drano sy Fahatapahan'ny Aterineto any Aceh

Tsy misy zavatra ratsy indrindra ho an'ny bilaogera Indoneziana indrindra manodidina ny fiatombohan'ny taona, afa-tsy ny "fialan'ny" aterineto tampoka vetivety.

Indonezia: Mitady Mpilatsaka An-tsitrapo Antserasera Ny Java Quake Help Wiki (Fanampiana Noho Ny Horohorontany)

Ho setrin'ny Fihovitrovitry ny tany tao Java tamin'ny 27 May 2006, nametraka ny Java Quake Help Wiki ny World Wide Help Group ary hatramin'ny nametrahana izany tao anatin'ny 24 ora, mandrindra ny hetsika fanampiana miaraka amin'ireo sampan-draharaha lehibe mpanome fanampiana sy ireo ekipa mpamonjy voina eny ifotony ry zareo.

Indonezia: Fanampiana Manoloana Ny Horohorontany

Nametraka ny Java Quake Help Wiki (Fanampiana manoloana ny Horohorontany) ny ekipa World Wide Help (Fanampiana Manerantany). Mitady mpilatsaka an-tsitrapo antserasera ny ekipa mba hanampy amin'ny lahatsoratra sy fandikàna izany ao amin'ny wiki ary koa manampy amin'ny fanapariahana ny teny momba ny wiki.

Zavo-tsetroka Any Azia Atsimo Atsinanana

Namely an'i Singapaoro, faritr'i Malezia sy Indonezia ny zavo-tsetroka nateraky ny doro tanety tsy ara-dalàna. Ireo tantsaha no nanomboka ny afo nandritra ny vanim-potoana maina mba hanadiovana ny tany hambolena. Natevina kokoa ny zavo-tsetroka tamin'ity taona ity na dia efa namoaka ny fampitandremana momba ny fahasalamana aza i Singapaoro .