Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Febroary, 2018

Tatitry ny Mpisera: Rerakin'ny Fanafihana Informatika Ny Vaovao Tsy Miankina Ao Azerbaijan

Ny ambangovangony amin'ity laharana ity: Azerbaïdjan, Filipina, Koety, Papoazy (Indonezia), Ejipta, Honduras, Chie, YouTube, Facebook, Espana

Nahilik'i Aostralia ary Nomelohina Higadra ao Indonesia, Manohitra ny Fiainana Tsy Antany Tsy Amparafara Ny Mpitsoa-ponenana

Nanameloka ity "Vahaolana Indoneziana" ity ireo fikambanana tsy miankina Aostraliana, milaza fa mandoa vola "an-jatony tapitrisa dolara ho an'i Jakarta ny governemantany mba hanagadrana sy hametrahana ireo mpangataka fialokalofana. Mamela ireo mpifindra monina mba hotazonina hatramin'ny 10 taona tsy misy fandinihana ara-pitsarana ny lalàna Indoneziana.

Indonezia: Fankalazana Ny Taombaovao Shinoa Tany Jakarta

Nandritra ny 30 taona mahery, voarara hoan'ny Shinoa tany Indonezia ny fanehoana ny kolontsainy. Nambaran'ny fitondrana tsy refesi-mandidy fa tsy ara-dalàna ny fampiasana ny fiteny sy ny tarehintsoratra Shinoa. Noho ny Filoha Wahid tamin'ny taona 2000, nofoanany ny fanavakavahana natao tamin'ireo Shinoa sy ireo vitsy an'isa tamin'ny ankapobeny.

Wayang Wahyu: Fitoriana Ny Baiboly Amin'ny Fampiresahana Saribakoly Any Java, Indonezia

Nitarika atrikasa teo amin'ireo tanora Javane i Indra Suroinggeno mba hanavotana sy hampiroboroboana ny Wayang Wahyu, fitantaràna ny tantara ao amin'ny baiboly amin'ny alàlan'ny fampitenenana saribakoly.