Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Avrily, 2011
Indonezia: Môske-n'ny polisy nokendrena mpanapoaka tena
Nisy mpanapoaka ny tenany amin'ny baomba iray nanafika ny môskea Adz-Zikro izay ao anatina faritra marolafin'ny polisy ao an-tanànan'i Cirebon tany Indonezia tamin'ny Zoma 15 Aprily lasa teo. Indreto ny tora-pon'ny mpamaham-bolongana vitsivitsy.
Manohana Ilay ‘Mpitandro Filaminana Mandihy’ Ny Indoneziana Mpampiasa Aterineto
Ny lahatsarina mpitandro filaminana avy any amin'ny faritra, mandihy sy manaraka amin'ny molony ilay feon-kiran'ny hira Indiana any Bollywood dia fankasitrahana tanteraka ny aterineto sy media any Indonezia. Nanasazy ilay mpitandro filaminana ireo manam-pahefana tamin'ny nandraketany ny fihetsiny teo am-pantanterahana ny asany nefa ireo mpampiasa aterineto dia naneho ny fanohanan'izy ireo ilay 'mpitandro filaminana mandihy'.
Indonezia: Nanome baiko ny Minisitra ny hamindrana ny sarivongan'i Bouddha ao Indonezia
Lasa nampametra-panontaniana ny finiavan'i Indonezia hampiroborobo ny fifandeferana raha nanome baiko ny minisitry ny Raharaham-bahiny handrava ny sarivongana lehibe bodhista an'ny fiangonana bodhista « Tri Ratna » ao an-tanànan'i Tanjungbalai...
Mikorontana ny baolina kitra any Indonezia
Mbola miteraka resabe ny baolina kitra any Indonezia. Voalohany, nisy ny fihetsiketsehana ho fanoherana ny nanendrena an'i Nurdin Halid ho eo amin'ny toeran'ny tompon'andraikitra hitantana ny PSSI ((Fikambanan'ny Baolina Kitra...