Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Avrily, 2019
Nampientanentana ny mponina ny fitsidihan'i Obama an'i Indonezia
Nampientanentana ireo vahoaka Indoneziana maherin'ny 6 500 izay tonga nanatrika ny filoha amerikana nitafa tamin'ny firenen'izy ireo tao amin'ny Oniversiten'i Indonezia tamin'ny alarobia maraina i Barack Obama. Nanafangaro ny kabariny tamin'ny fiteny Bahasa Indoneziana izay nianarany tamin'izy nipetraka tany Jakarta fony mbola zaza, nampientanentana ny vahoaka i Obama raha nanomboka ny kabariny.
Fehin'ny Blaogy Any Azia Atsimo Atsinanana
Samy nanana ny nolazainy indray ireo blaogera avy any amin'ny faritra maro tao Azia Atsimo Atsinanana.
Azia Atsimo-Atsinanana: Fitsangantsanganana An-Tsambo Mampanonofy sy ny Finamanana
Mandraisa sambobe fitsangantsanganana iray tsara tarehy, fenoy tanora 300 mafana fo avy amin'ny Fikambanan'ireo Firenena ao Azia Atsimo Atsinanana (ASEAN), ataovy ao koa i Japana, ary ireo hetsika ara-kolontsaina sy sosialy, dia afangaroy ao. Vokatra azonao: fifamatorana mafy sy finamanana mandra-maty