Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Mey, 2019
Indonezia, mampiroborobo ny bilaogy tsara, imailaka feno fankahalàna ary ny Lokan'ny Biloagy Azia Blog Awards …………………. Fampitomboan'i Indonezia An'ireo Blaogy Tsara, Ireo Imailaka Mifono Fankahalàna Ary Ireo Blaogy Fanolorana An'i Azia
Tao anatin'ireo taona roa farany, vavolombelon'ny firoboroboana tsy mitsahatra sy mahavelom-panantenan''ireo blaogy tsara sy ireo blaogera tsara kalitao. Ny anton'io, amin'ny ankamaroany, dia nohon'ny fitobak'ireo manampahaizana, mpanoratra ary mpanao gazety Indoneziana izay manomboka mampiseho ny fahalinan-dry zareo amin'ny blaogy.
Gidragidra an-tsisintany eo amin'i Malezia – Indonezia
Niteraka disadisa indray teo amin'ny firenena roa tonta ny fifandonana an-tsisintany teo amin'i Malezia sy Indonezia.
Indonezia: Mpilalao sarimihetsika nanao hetsi-panoherana tao amin'ny parlemanta
“Jujur, Adil, Tegas.” Amin'ny teny Anglisy dia midika hoe "Marina, Madio, Mahitsy." Ireo no voambolana voasoratra tamin'ny loko mena nataon'ilay menavazana mpilalao horonantsari-mihetsika malaza Pong Harjatmo teo amin'ny tafon'ny tranoben'ny parlemanta Indoneziana ho mariky ny fanoherana ny zavatra nofaritany ho rafitra demokratika sy mpanao lalàna tsy mahomby ao amin'ny firenena.
Indonezia: Tsy meloka i Prita hoy ny fitsarana ambony
Tamin'ny Talata tolakandro, tsy nahita ny Fitsarana Ambony Tangerang fa meloka noho ny fanalam-baraka i Prita Mulyasari, vehivavy mpikarakara tokantrano izay nanoratra fitarainana tamin'ny alalan'ny mailaka manohitra hopitaly iray iraisam-pirenena tsy mandoa hetra.
Global Lives: Mijery indray ny tetikasa mandrakitra ny fiainan'ny olona
Roa taona lasa izay, nanoratra momba ny tetikasa iray tany am-boalohany isika: Napetraka ny Global Lives mba handrakitra andro iray eo amin'ny fiainan'ny olona 10 avy amin'izao tontolo izao. Androany isika dia hijery indray ny tetikasa ary hanamarina ny fomba fiaviany.
Indonezia: Torian'i Sony Goliata i Sony Davida
Tamin'ny volana lasa teo, norahonan'ny Sony Corporation ao Japana hotoriana any amin'ny fitsarana noho ny fakàna tahaka ny marikany i Sony Arianto Kurniawan na Sony AK avy any Mega Kuningan, raha toa ka tsy manakatona ny tranonkalany manokana izay manana ny anaran-tserasera www.sony-ak.com