Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Jona, 2018
Indonezia: Tondra-drano tany amin'ireo faritany miisa 13
Niaina tondra-drano nandritra ny herinandro noho ny oram-batravatra ny faritany miisa 13 tany Indonezia. Namoizana ain'olona miisa 14 ny loza nitranga raha telo hafa kosa no tsy hita . Olona mihoatra ny 50.000 no voatery nafindra toerana. Nihoatra ny roa metatra ny rano tao Jakarta, renivohitr'i Indonezia.
Indonezia: Tany nihotsaka nahafatesana olona tany Papouasie Andrefana
Olona maherin'ny 80 no maty ary an-jatony maro no mbola tsy hita popoka raha nandrava ny tanàndehiben'i Wasior any Papouasie Andrefana, Indonezia ny tany nihotsaka.
Indonezia: Tatitra momba horohorontany tany Sumatra tao amin'ny Twitter
Horohorontany tamin'ny maridrefy 7,2 no namely an'i Aceh sy Sumatra Atsimo ao Indonezia tamin'ny Zoma vao maraimbe. 34 KM ary ambanin'ny ranomasina miala ny nosy Simelue ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Sumatra no misy ny foiben'ny horohorontany.