Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Aogositra, 2011
Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina
Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.
Indonezia: Manavao Ny Tetika Hifehezana Ireo Media Sosialy Ny Minisitra
Tifatul Sembiring, Ministry ny IT sy ny Fifandraisana any Indonezia, izay tsy dia ankasitrahan'ny olona loatra, dia nilaza fa tokony ho matotra ny fifehezana ny vohikala media sosialy tahaka ny Twitter sy Facebook satria azo ampiasaina hanakorontanam-panjakàna. Niteraka resa-be ny fanambaràny, indrindra teo anivon'ireo mpampiasa aterineto.